Mofonaina Alarobia 08 Martsa 2023 Ny teo aloha Mofonaina Alakamisy 09... Ny tao aoriana Mofon'aina Sabotsy 04...

Mofonaina Alarobia 08 Martsa 2023

Deoteronomia 23. 10-19

IZAY TAKIAN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY KRISTIANINA

Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra. 11 Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin’ny alina, dia hivoaka eny ivelan’ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny. 12 Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin’ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin’ny toby indray izy. 13 Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan’ny toby ho fivoahanao; 14 ary mitondrà fantaka miaraka amin’ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany hianao, dia mihadia lavaka amin’ny fantaka, ka totofy ny fivalananao. 15 Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan’ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao. 16 Aza atolotrao amin’ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao. 17 Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy. 18 Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy. 19 Aza mitondra ny tangin’ny vehivavy janga, na ny karaman’alika, ho ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
Tsy zavatra mandeha ho azy ny maha-Kristianina fa tena misy zavatra takian’izany maha-Kristianina izany amintsika. Raha mamaky izao mofonaina izao isika dia ireto no takian’Andriamanitra amin’ny Kristianina
1. Fahadiovana ho fiarovana (and 10-13)
“Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra… Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan’ny toby ho fivoahanao”
Ny toby nitobian’ny miaramila handeha hiady dia notakian’Andriamanitra hadio teo amin’ny Zanak’Isiraely. Antony roa no nahatonga izany fitakiana izany:
– Ho voatahiry ny fahamasinan’ny toby ka ho tamana ao Andriamanitra. Nampianarina ny miaramila mba hadio fitondrantena rehefa ao an-toby, indrindra rehefa handeha hiady amin’ny fahavalo. Miantoka betsaka ny fandresena ny fahavalo izany. Raha misy niala tamin’izany fahadiovam-pitondrantena izany dia misy fomba tsy maintsy natao hamerenana azy hadio. Mila mifady ny ratsy ny miaramila handeha hiady.
– Ho voatahiry koa ny fahadiovan’ny toby ka tsy hisy aretina hahatratra ny miaramila. Ny maloto natokana amin’ny toerana sady totofana tany avy eo dia mikendry ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina mety hampalemy ny miaramila. Ny loto miparitaka koa dia manimba ny fahamasinan’ny toby ka tsy maintsy nangonina amin’ny toerana fanaovana azy izany ary tsy maintsy nototofana.
Ilay fahadiovana arak’izany dia tena fiarovan-tena amin’ny fahavalo, rehefa mifady ny ratsy ny miaramila dia miara-dalana aminy Andriamanitra ka miantoka ny fandreseny izany. Ilay fahadiovana faharoa kosa dia mitahiry ny toby ho masina, mendrika sy manakana ireo aretina mety hamparofy ny miaramila. Rehefa salama sy matanjaka ny miaramila dia mora aminy ny mandresy ny fahavalony. Tehirizo hifady ny ratsy ny tenantsika, ary ataovy ho zava-dehibe ny fikajiana ny fahadiovana fa miantoka ny fahasalamana izany.
2. Fahadiovana ho fahamasinana (and 18,19)
“Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy. 19 Aza mitondra ny tangin’ny vehivavy janga, na ny karaman’alika, ho ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady”
Teo amin’ny Kananita (mponina tany Kanana) dia fanao ho fangataham-pitahiana amin’ny famokarana ny fivarotan-tena amin’ny fijangajangana eo amin’ny tempoly. Noheverin’ny Kananita fa mampahavokatra ny tany ny firaisana ara-nofo atao amin’izany toerana izany. Volabe no azon’izay lehilahy na vehivavy mivarotena amin’ity fijangajangana ity. Maharikoriko anefa izany satria sady fijangajangana no fanompoan-tsampy. Fahotana roa sosona ho an’ny Jiosy. Tsy avelan’Andriamanitra ho entina atolotra ao amin’ny fiangonana ny vola azo avy amin’izany. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra arak’izany ny vola atolotry ny olona ao amin’ny fiangonana kanefa tamin’ny fomba mifanohitra tamin’ny sitrapon’Andriamanitra no nahazoana izany. Sady tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona ratsy fitondrantena no tsy mahazo sitraka Aminy koa izay manolotra vola na zavatra azony tamin’ny fomba tsy mendrika. Tsy famotsiam-bola arak’izany ny fiangonana fa tena fanomezana tamin’izay nitahian’Andriamanitra ny olona. Koa tandremo tsara izay atolotra an’Andriamanitra sao tsy mazavazava fa tsy ahazoana sitraka Aminy.

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *