MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO
Iraivolan'ny Sampana Lehilahy Kristiana
``Ianareo no fanasin'ny tany``
Matio 5: 13a
Ho aminareo mandrakariva anie ny fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Fifaliana ho ahy ny manao izao teny fanolorana ny tranokalan’ny FJKM Anosy Avaratra Vaovao izao.
Izao mantsy no natao dia hijoroana ho vavolombelon’ny Tompo ny antom-pisiantsika ilay antsoiny hoe “FANASINA”. Izany hoe tsy hisy tsiro izao rehetra izao raha tsy eo isika zanak’ Andriamanitra, kanefa koa raha tsy hijoro isika dia inona moa izany no anto-pisiantsika?
Koa atolotra ho antsika rehetra izao tranokalam-pifandraisana amin’ny anaran’ny fiangonana FJKM Anosy Avaratra Vaovao izao mba hitomboantsika amin’ny finoana izay iainana, hahalalantsika ny fiainan’ny fiangonana (fandrosoany sy fivoarany), indrindra koa hifampizarana ireo fiarahana tamin’ny Tompo ka ijoroana ho vavolombelona, …
Na izany aza dia anterina ny hafatra hoe “tsy mahasolo ny fiombonana eo anivon’ny fiangonana akory ny fanarahana ny tranokala (site-web) toy izao fa natao kosa hanampy antsika hahalala misy misy kokoa izay fiainan’ny fiangonantsika.
Isaorana avokoa ireo rehetra nifanohana hampisy izao tranokalam-pifandraisana izao.
Koa mahereza sy matanjaha, mijoroa hatrany ho fanasin’ny tany.
Tongasoa eto amin'ny Tranokalan'ny Fiangonana

ANOSY AVARATRA VAOVAO
(Jao 3:36)

mianakavy

EH!