Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika ny amin’ny fisian’izao tranonkalan’ny Fiangonana izao. Misaotra antsika izay nanampy tamin’ny fanatontosana izany na ara-kevitra na ara-pitaovana na ara-bola ihany koa, Ny Tompo Andriamanitra Ilay manakarem-pahasoavana anie hamaly fitia antsika tsirairay. Tianay ry Havana ary mbola raisinay hatrany ny fanohanana amin’ny endriny rehetra indrindra fa ny fitondrana am-bavaka sy ny fanomezanareo hevitra entina hanatsarana izao tranonkala izao mba hampandrosoantsika ny Fiangonan’Andriamanitra. Koa aza misalasala mifandray aminay amin’ny fanoratanao ny Anaranao sy ny Adiresy mailaka ary ny hafatra tianao hampitaina aminay fa hovoarainay izany.
Laharan’ny Mpitandrina am-perin’asa:
+261 34 07 369 56
Toerana:
ANOSY AVARATRA ANTANANARIVO AVARADRANO
Adiresy mailaka:
fjkmanosyavaratravaovao@gmail.com
"Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro"
(Heb 10:25)
Ho aminao mandrakariva anie ny Fiadanan'ny Tompo Jesoa