Mofon’aina Sabotsy 04 Martsa 2023 Ny teo aloha Mofonaina Alarobia 08... Ny tao aoriana Mofon'aina Zoma 03 Martsa 2023

Mofon’aina Sabotsy 04 Martsa 2023

Lioka 16. 14-31

TANDREMO NY HARENA FA…!

Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izany, dia naneso an’i Jesoa. 15 Ary hoy Jesoa taminy : Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra. 16 Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’i Jaona; ary hatramin’izany no efa nitoriana ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo. 17 Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ny lalàna. 18 Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa. 19 Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan-andro tamin’ny fahafinaretana. 20 Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ny vavahadiny; 21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny. 22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ny anjely ho any an-tratran’i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; 23 ary raha nijaly tao amin’ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an’i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany. 24 Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ny rantsan-tanany amin’ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ity lelafo ity. 5 Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalina aty, ary hianao kosa no fadiranovana. 26 Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny. 27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin’ny tranon’ny raiko 28 (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tonga aty amin’ity fijaliana ity koa izy. 29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy. 30 Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin’ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy. 31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ny maty aza.
—————
Misy karazana mpanankarena roa eto amin’izao tontolo izao: eo ireo miezaka mampiasa ny harena ho enti-manasoa ny tenany sy manasoa ny hafa – eo kosa ireo izay ampiasain’ny harena ka tonga ratsy fiarafara. Ity mofonaina ity dia valintenin’i Jesoa tamin’ilay Fariseo fatra-pitia vola naneso Azy rehefa nampianatra fa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamona ny olona. Avy amin’izao mofonaina izao no hifampianarantsika hoe: tandremo ny harena fa
1. Mampanaram-po amin’ny fahafinaretana (and 19)
“Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan-andro tamin’ny fahafinaretana”
Asehon’ny fanoharana nataon’i Jesoa fa tsy nahafehy tena tamin’ny fananana harena ity lehilahy ity. Rehefa nanana harena izy dia natosik’izany fananany harena izany ho amin’ny fanaranam-po amin’ny fahafinaretana. Midika izany fa tsy nampiasa ny harena izy fa nampiasain’ny harena ka natosiny ho amin’ny fanaranam-po. Natosiny ho amin’ny fahafinaretana. Rehefa tsy ampiasaina amin’izay hahasoa ny hafa ny harena dia tonga fitaovana manosika antsika hanao zavatra tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Tombony manokana nomena ny mpanankarena mantsy ny harena mba hitsinjovany ny hafa izay napetrak’Andriamanitra manodidina azy hohasoavina. Tsara ny manan-karena fa ratsy ny ampiasain’ny harena hanao ny tsy fanao.
2. Mampiavonavona
Endrika fiavonavonana roa no asehon’ny fanoharana nataon’i Jesoa eto:
– Tsy fijerena ny hafa (and 20,21): “Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ny vavahadiny”. Ambara fa napetraka manodidina ilay mpanankarena ity lehilahy mahantra kanefa tsy mba hitany akory. Tsy norarahiny akory na dia ferena mila vonjy taminy aza. Mila mitandrina amin’ny harena isika fa matetika manakona ny hafa mila vonjy, mety tsy ho takona akory aza izy ireny fa tsy rarahina tsotra izao.
– Tsy fihainoana an’Andriamanitra (and 27-31): “Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ny maty aza”. Mbola variana miliba sy manaram-po amin’ny fahafinaretana ireo rahalahin’ity mpanankarena ka tsy mahavita mihaino an’Andriamanitra. Miavonavona ny fony ka tsy mihaino ny tenin’Andriamanitra izy. Mihevi-tena ho mahavita tena ny olona manan-karena matetika, mieritreritra izy fa vitan’ny harenany avokoa ny zavatra rehetra, antony iray tsy hihainoany an’Andriamanitra izany.
Manapaka ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona sy amin’Andriamanitra ny harena rehefa tsy hain’ny olona ny mitondra azy. Aoka ho Jesoa no ivon’ny harenanao dia ho Azy koa ny fonao!
3. Tsy maaro amin’ny fahafatesana (and 22, 23)
“Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ny anjely ho any an-tratran’i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; 23 ary raha nijaly tao amin’ny fiainan-tsi-hita izy”
Na dia nanan-karena aza ity lehilahy dia ambaran’ny fanoharana fa maty ihany izy, ary nambara fa avy hatrany dia nalebina sy nijaly tany amin’ny fiainan-tsy hita. Aseho fa noho izy tsy nahay nitondra tena tsara noho izy nanan-karena dia ratsy fiafara izy. Ary rehefa niampita tany an-koatra dia lasa tany amin’ny toerana mampijaly mandrakizay ary tsy afa-manao na inona na inona intsony. Miankina amin’ny fomba hampiasana ny harena eto amin’izao tontolo izao no miantoka ny hahatsara ny fiainana rahatrizay. Tsara indrindra ny hoe nilamina sy nirindra ny fiainana teto amin’izao tontolo izao ary tsara koa anefa no tohin’izany any amin’ny mandrakizay. Izany no irio sy katsaho!

Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina (Facebook)

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *