Mofon’aina 30 Aogositra 2021
Eksodosy 36. 1-7
NY FAHAVITANA ASA TSARA HO AN’ANDRIAMANITRA
Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen’i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian’i Jehovah. 2 Ary Mosesy dia nampaka an’i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian’i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony hankeo amin’ny asa hanao azy. 3 Ary izy ireo dia nandray tamin’i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin’ny Zanak’Isiraely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy. 4 Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin’ny fitoerana masina, samy niala tamin’ny asany izay nataony avy, 5 ka niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ny asa nandidian’i Jehovah hatao. 6 Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran’ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin’ny fitoerana masina hianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony; 7 fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
——————
Nisy olona manokana nantsoin’Andriamanitra hanao asa kanto teo amin’ny fiangonany. Ry Bezalila sy ny namany, araka ny tantara dia nomen’Andriamanitra ny Fanahy Masina, ary noho ny asan’ny Fanahy Masina tao amin’izy ireo dia tena nahavita asa kanto, asa tsara ho an’Andriamanitra izy ireo. Matoa arak’izany mahavita asa tsara ho an’Andriamanitra ny olona dia noho ny
1. Fahendrena avy amin’Andriamanitra (and 1)
« Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen’i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian’i Jehovah »
Ilay fahendrena sy fahiratan-tsaina ambara eto dia fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina. Noho io fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina io dia tonga kanto sy tsara ny asan’ny olombelona nofidian’Andriamanitra hanompo Azy ao amin’ny fiangonany. Ny asa tsara sy kanto ho enti-manome voninahitra an’Andriamanitra arak’izany dia vokatry ny asa tsara ataon’Andriamanitra ao amin’ny olona, asan’ny Fanahy Masina, fanomezam-pahasoavana.
Rehefa tena ampiasain’ny olona ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy dia mahavita asam-pahendrena sy asan’ny fahiratan-tsaina izy ka manome voninahitra an’Andriamanitra ny asany.*
2. Fahafoizan’ny olona (and 5)
« Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ny asa nandidian’i Jehovah hatao »
Rehefa nanentana ny hanomezan’ny olona fanomezana hanaovana asa tao amin’ny fiangonana Mosesy dia ambaran’ny tantara amintsika fa tena nanome ny olona. Nihoatra lavitra noho izay notadiavina hanaovana ny asa tao amin’ny fitoerana masina aza no natolotry ny Zanak’Isiraely. Voatery nandefa teny indray aza Mosesy eo amin’ny andininy manaraka eo ny amin’ny hampitsaharana ny fanomezana ho an’ny fitoerana masina. Tena anisan’izay hahefana asa tsara ho an’Andriamanitra arak’izao ny fanahin’ny fahafoizana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Rehefa tena manolotra amin’ny fo feno fitiavana tokoa ny olona dia mitobaka eo amin’ny fiangonana ny fanomezam-pahasoavana maro ka mahefa asa maro tsy takatry ny saina eritreretina, sady kanto no tsara ny fiangonana.
Jesoa dia tena nahafoy ny tsara indrindra ho an’ny fiangonana, ny asam-pamonjena vitany no asa tsara indrindra teo amin’ny tantaran’ny fiangonana.
Ampiditra Hafatra