Mofonaina 29 Janoary 2021 Ny teo aloha Mofonaina 30 Janoary 2021 Ny tao aoriana Mofonaina 28 Janoary 2021

Mofonaina 29 Janoary 2021

Matio 3. 13-17

JESOA KRISTY NO ZAVA-TSAROBIDY NOMEN’ANDRIAMANITRA ANTSIKA

Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa. 14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe : Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko ? 15 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe : Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. 16 Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy ; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. 17 Ary, injao ! Nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
Ireo tranga nisy taorian’ny fanaovana batisa an’i Jesoa no tantarain’i Matio amintsika eo amin’ny and 16,17 amin’izao mofonaina izao. Tranga izay maneho indrindra ny maha-sarobidy an’i Jesoa izay tonga teto amin’izao tontolo izao. toy izao avy ireo tranga ireo sy ny heviny

1. Tranga voalohany : nisokatra ny lanitra

« Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy ; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra »
Rehefa vita ny batisan’i Jesoa dia nisokatra ny lanitra. Midika izany fa i Jesoa no nanokatra indray ny lanitra. Tsy tokony hohadinoina fa noho ny amin’i Adama, ilay olombelona voalohany dia nikatona ny lanitra noho ny fahotana. Izay mantsy ilay « non dit » raha mamaky io andininy io isika. Nikatona ny lanitra noho ny fahotan’i Adama, fa noho ny amin’i Jesoa Kristy dia tonga nisokatra indray izany. Raha nanomboka ny fitantarana ny amin’ny olombelona ny bokin’ny Genesisy izay boky voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha dia nanomboka izany tamin’ny fomba maloka. Fa raha manomboka mitantara Ilay olombelona faharoa kosa Matio izay mpanoratra ny boky voalohany ao amin’ny Testamanta Vaovao dia nanomboka izany amin’ny filazana zavatra tsara. Nosokafan’i Jesoa ny lanitra.

2. Tranga faharoa : nidina teo amin’i Jesoa ny Fanahy Masina

« Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy ; ary, indro… hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny »
Ny fikatonan’ny lanitra tamin’ny andron’i Adama dia midika fa tapaka fifandraisana tamin’Andriamanitra ny olona. Tsy afaka nifandray tamin’Andriamanitra ny olona. Tsy afaka nahita an’Andriamanitra intsony ny olona. Sarotra tamin’ny olona ny nifandray tamin’Andriamanitra. Noho ny amin’i Jesoa anefa dia tonga afaka nifandray tamin’ny olona indray Andriamanitra. Afaka mitoetra ao amin’ny olona (Jesoa) ny Fanahin’Andriamanitra. Afaka midina ety an-tany Andriamanitra ka monina amin’ny alalan’ny Fanahiny. Jesoa no nampifandray indray ny lanitra sy ny tany. Jesoa no nampifandray indray an’Andriamanitra tamin’ny olona ary ny olona tamin’Andriamanitra. Jesoa no zava-tsarobidy indrindra nomen’Andriamanitra noho Izy, Izy irery, afaka mampifandray indray ny tany sy ny lanitra. Vao nisokatra rahateo ny lanitra dia fifandraisam-baovao tamin’Andriamanitra no vokatsoa naterany.

3. Tranga fahatelo : nisy feo re nilaza fa Jesoa no Zanak’Andriamanitra, malalan’Andriamanitra, Sitrak’Andriamanitra

« Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy ; ary, indro… injao ! Nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : Ity no Zanako malalako Izay sitrako »
Noho ny fahotana dia voaozona izao tontolo izao. Tsy nisy na inona na inona nahazoana sitraka tamin’Andriamanitra. Noho ny amin’i Jesoa Kristy, nankasitrahan’Andriamanitra indray ny olona. Jesoa no Ilay sitrak’Andriamanitra, koa izay rehetra ao Aminy dia tonga mahazo sitraka amin’Andriamanitra koa. Rehefa ao amin’i Jesoa isika vao mahazo Sitraka amin’Andriamanitra, raha tsy ao amin’i Jesoa dia mbola miaina ao anaty ozona. Izany no maha-sarobidy an’i Jesoa, noho ny Aminy dia afaka ny ozona rehetra, tonga mankasitraka antsika Andriamanitra.
Sambatra isika Kristianina fa noho ny amin’i Jesoa dia mahazo sitraka amin’Andriamanitra isika. Tonga adidintsika arak’izany ny mitaona ny olona rehetra ho ao amin’i Jesoa mba tsy ho isika irery no hahazo sitraka amin’Andriamanitra fa ny olona rehetra tongantsika ao amin’i Jesoa.
« Iza no nitondra ny soa ho anao, tsy misy afa-ts’i Jesoa
Fa raha tsy Jesoa, nanao ahoana isika izao ?
Fa raha tsy Jesoa, angamba tsy toy izao
Fa Jesoa no Ilay masoandro hanazava ny haizin’izao tany izao
Ilay loharano nitondra ny soa, ny soa sy ny tsara indrindra ho anao
Fa raha tsy Jesoa, dia maro angamba no tsy teto intsony
Fa raha tsy Jesoa, moa efa nosaininao ? » AMAF
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *