Mofon’aina 26 Aogositra 2021
Filipiana 1. 1-11
NY ASA TSARA ATAON’ANDRIAMANITRA AO AMIN’NY OLONA
Paoly sy Timoty, mpanompon’i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy mbamin’ny mpitandrina [episkopo] sy ny diakona izay any Filipy: 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. 3 Misaotra an’Andriamanitra amin’ny fahatsiarovako anareo 4 mandrakariva aho amin’ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ny fifaliana, 5 noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; 6 ary matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ny andron’i Jesoa Kristy; 7 fa marina izany, satria efa mba ato am-poko hianareo, fa mpiombona fahasoavana ananako hianareo rehetra na amin’ny fifatorako, na amin’ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy. 8 Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin’ny famindrampon’i Kristy Jesoa. 9 Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, 10 mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra [samy hafa], mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ny andron’i Kristy hianareo, 11 sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
Ny Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Filipianina dia ambaran’ny mpandinika fa nosoratan’i Paoly tany Efesosy fony izy nigadra tany, tany amin’ny taona 61 tany ho any. Paoly nigadra kanefa afaka nanoratra ho an’ny Kristianina tany Filipy, ary ny votoatin’ny Epistily ho an’ny Filipianina dia fifaliana – firahalahiana – Filazantsara. Na dia mifatotra aza Paoly dia mbola afaka manam-pifaliana rehefa nandre ny finoan’ireo Kristianina tao Filipy. Hany ka nisaotra an’Andriamanitra noho ny amin’izy ireo izy. Ireto no hafatra ho antsika androany
1. Manao asa tsara ao amin’ny mino Andriamanitra (and 6)
« ary matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ny andron’i Jesoa Kristy »
Eo amin’ny and 6 amin’izao mofonaina izao dia ambaran’i Paoly fa misy asa tsara nataon’Andriamanitra ao amin’ny mino. Tsy inona izany asa tsara nataon’Andriamanitra izany fa ny famonjena azy tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Io no asa tsara indrindra vitan’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra sy ny olona manontolo. Nopotehin’ny herin’ny ota ny maha-olombelona tsara noharian’Andriamanitra ka tsy maintsy naverin’Andriamanitra tamin’ny laoniny izany. Ny famonjena arak’izany no fomba namerenan’Andriamanitra ny olombelona ho amin’ny fahatsarana araka izay nahariany azy.
Tsarovy fa isika Kristianina dia tsara noho ny asa tsara (famonjena) nataon’Andriamanitra ho antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tokony hahatsiaro hifaly sy hisaotra an’Andriamanitra mandrakariva toa an’i Paoly Apostoly isika noho io famonjena nataon’Andriamanitra ho antsika io.
2. Izay nanaovan’Andriamanitra asa tsara no mahay manao asa tsara (and 10,11)
« Mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra [samy hafa], mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ny andron’i Kristy hianareo, 11 sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra »
Noho ny famonjena (asa tsara nataon’Andriamanitra) nataon’Andriamanitra dia miverina ho amin’ny fahatsarana ny olombelona nandray izany famonjena izany. Koa satria tonga tsara izy dia manao asa tsara ho an’Andriamanitra koa. Eto amin’izao mofonaina izao, ny asa tsara nataon’ny Kristianina tao Filipy dia ny fandraisana anjara mivantana ara-bola amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Hoy mantsy Paoly eo amin’ny and 5 : « noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny ». Vokatry ny famonjen’Andriamanitra arak’izany ny asa tsara ataon’ny mino. Eto amin’izao mofonaina izao dia mangataka Paoly mba ho voatahiry ao amin’ny olona ny asa tsara nataon’Andriamanitra (famonjena) ka mandra-pihavian’i Jesoa Kristy dia hanao asa tsara mandrakariva ny olona. Asan’ny Fanahy Masina ny mitahiry ny olona ao amin’ny famonjena sy mitahiry ao amin’ny ny olona ny famonjena (asa tsara nataon’Andriamanitra). Rehefa voatahiry ao amin’ny famonjena ny Kristianina ka manao asa tsara mandrakariva ka tsy hanan-tsiny izy amin’ny fotoana ihavian’i Jesoa Kristy.
Meteza arak’izany hitahiry ny famonjen’Andriamanitra (asa tsara nataon’Andriamanitra) fa izany no mahatonga antsika hanao asa tsara ho an’Andriamanitra.
Ampiditra Hafatra