Mofon’aina 25 Aogositra 2021
Salamo 133
NY FIARAHAMONINA VOATAHY
Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina 2 Tahaka ny diloilo tsara amin’ny loha, Izay mitsororoka amin’ny somotra, dia ny somotr’i Arona, Izay mitsororoka amin’ny moron-tongotr’akanjony 3 Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin’ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay.
Salamo nosoratan’i Davida ity Salamo ity. Hoentiny milaza ny hatsaran’ny fiarahamonina ahitana mpirahalahy mihavana sy manao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Amin’i Davida dia mahazo fitahiana ny fiarahamonina mifampitondra toy ny mpirahalahy. Nahoana tokoa moa ? Toa izao no endri-pitahiana azo rehefa mifampitondra toy ny mpirahalahy ny mpiaramonina
1. Fitahiana mahatratra ny maha-olona manontolo (and 2)
DIEM « Toy ny ilo manitra mby an-dohan’olona nasaina ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra. Toy ny somotr’i Arona mpisoronabe ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony »
Ilay fitahiana no ambara fa miraraka avy eny an-tampon-doha ka hatreny amin’ny vozon’akanjo. Ho enti-milaza fa mahatratra ilay olona manontolo ilay fitahiana azo avy amin’Andriamanitra rehefa mirindra tsara ny fiarahamonin’ny Kristianina mifampitondra toy ny Mpiray tampo. Andriamanitra tokoa mantsy rehefa mitahy dia fitahiana mahasoa ny olona rehetra sy ny olona manontolo no omeny. Fitahiana ahazoan’ny olona rehetra sy ny olona manontolo tombony tokoa. Koa raha fitahiana ahazoan’ny olona rehetra sy ny olona manontolo tombony, handeha harindra sy halamina tsara ny fifandraisana ara-piarahamonina hoy toy ny an’ny mpirahalahy, mpiray tampo ao amin’ny Tompo.
2. Fitahiana mikendry ny mandrakizay (and 3)
DIEM « toy ny ando avy any an-tendrombohitra Hermona ka mirotsaka eo amin’ny tendrombohitra Ziona, satria Ziona no fanomezan’ny Tompo fitahiana, dia fiainana maharitra mandrakizay »
Ilay fitahian’Andriamanitra ho an’ny mpirahalahy miara-monina dia fitahiana mikendry ny mandrakizay. Fitahiana mikendry ny hahatonga ny mpirahalahy miara-monina hahazo fiainana mandrakizay. Fitahiana tsy ety an-tany ihany fa fitahiana mitohy hatrany an-danitra, any amin’ny toerana izay efa nomanin’Andriamanitra rahatrizay. Ny tombony amin’ity fitahiana ity dia tsotra, mba hitohy ho mandrakizay ilay fahaiza-miara-monina ka sady milamina ny eto amin’izao tontolo izao no azo antoka fa milamina koa ny mandrakizay. Maty antoka tokoa mantsy izay manana fiainana milamina eto amin’izao tontolo izao kanefa tsy mahazo ny fiainana mandrakizay akory. Raha handray fitahiana amin’Andriamanitra ihany, dia aleo fitahiana mitohy amin’ny fiainana mandrakizay no raisina avy amin’Andriamanitra. Andriamanitra irery ihany koa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no afaka manome izany fiainana mandrakizay izany.
Hoy Jaona manamafy izany : « Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany » 1 Jaona 5. 11
Ampiditra Hafatra