Mofonaina 24 Novambra 2020
Marka 7. 24-30
IREO DINGAN’NY FANASITRANANA
Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ny sisin-tanin’i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. 25 Fa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zanani-vavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin’ny tongony. 26 Ary jentilisa ravehivavy, avy amin’ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin’ny zanani-vavy. 27 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely. 28 Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko, kanefa na dia ny amboakely ao ambanin’ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ihany. 29 Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana hianao; efa nivoaka tamin’ny zanakao-vavy ny demonia. 30 Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin’ny farafara ny zanani-vavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.
Mahafinaritra ny mamaky ny Filazantsara satria rehefa tena tomorina ny voasoratra ao dia hita sy tsapa fa tena Andriamanitra akaiky ny olona rehetra Jesoa. Tonga teto amin’izao tontolo izao Jesoa ka izay rehetra niezaka nifandray Taminy dia afaka tamin’izay rehetra namatotra azy. Tao amin’i Jesoa rahateo koa ny herin’Andriamanitra ho enti- mamonjy sy manafaka izao tontolo izao. Tantaran’ny zanakavavin’ilay vehivavy jentilisa sitrana ity mofonaina ity rehefa nanao ny ezaka rehetra ity renim-pianakaviana mba hahazo sombiny tamin’ny famonjen’Andriamanitra. Avy amin’izao no ahazoantsika ireo dingana ho amin’ny fanasitranana. Ireto avy izany
1. Mandre ny amin’i Jesoa (and 25a)
« Fa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy »
Ambaran’i Marka fa na dia naniry aza Jesoa tsy ho fantatr’olona hoe tonga tao amin’ny trano dia tsy voasakana ho tsy fantatr’olona izany. Tsy mba nahazo niery izany Jesoa, be loatra koa ny lazany ka mora tamin’ny olona ny namantatra Azy. Eto dia fantatr’ilay vehivavy jentilisa fa tao an-trano Jesoa. Jentilisa rahavehivavy kanefa maharaka tsara ny vaovao momba an’i Jesoa. Tsy voasakana tsy hahalala ny amin’i Jesoa ny olona, indrindra ireo miandrandra famonjena. Zava-dehibe ity dingana ity. Ity no dingana voalohany rahateo.
2. Manatona an’i Jesoa (and 25b)
« Nankao ka niankohoka tamin’ny tongony »
Tsy nionona fotsiny tamin’ny fandrenesana ity vehivavy ity fa nanatona an’i Jesoa mihitsy izy. Dingana tena ho enti-mandresy ny olana samihafa ny fanatonana an’i Jesoa. Jesoa mantsy no herin’Andriamanitra tonga amin’izao tontolo izao. Betsaka no mahalala an’i Jesoa fa tsy manatona Azy. Raha misy zava-manahirana antsika amin’izao fotoana izao dia mampianatra antsika ny Filazantsara hanao izay ezaka rehetra azontsika atao ho fanatonana an’i Jesoa ilay hany afaka manafaka antsika amin’izay manahirana antsika. Dingana tsy azo tsinotsinoavina koa ity.
3. Miady varotra amin’i Jesoa (and 28)
« Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko, kanefa na dia ny amboakely ao ambanin’ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ihany »
Tonga ho an’ny Jiosy aloha Jesoa raha ny marina. Tsy nanaiky izany anefa ity vehivavy fa niady varotra. Rehefa tena niady varotra izy dia nanaiky Jesoa. Aza mora kiviana rehefa tena mitady famonjena. Ho an’ny olona rehetra tokoa ny famonjena. Izay manao ezaka toa an’ity vehivavy ity no hahomby hatrany.
Mety ho maro ny sakana tsy ahafahana mahazo anjara famonjena avy amin’i Jesoa. Mampianatra antsika ity vehivavy Jentilisa ity fa azo atao tsara ny miady varotra ka na dia sombiny ihany aza no hangatahana dia ampy hahasitrana ny aretina sy ny tranga manahirana eo amin’ny fiainana izany. Aleo mahazo sombiny amin’ny famonjena toa izay tsy mahazo na inona na inona avy amin’i Jesoa mihitsy. Sombiny avy amin’i Jesoa dia ampy hanafaka antsika amin’izay mamatotra sy mangeja antsika.
4. Mino izay lazain’i Jesoa (and 30)
« Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin’ny farafara ny zanani-vavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy »
Rehefa nanaiky Jesoa dia nilaza fa sitrana ilay zanany. Nino izany ravehivavy ka niala teo amin’i Jesoa. Nino izy fa marina izay nolazain’i Jesoa. Nino izy fa hain’i Jesoa tokoa izany. Avy hatrany izy dia lasa nody ary nahita maso ny fahamarinan’ny tenin’i Jesoa. Fototra tsy azo ialàna ny finoana raha te ho sitrana isika.
Ny filazantsara dia mametraka ho zava-dehibe mandrakariva ny tenin’Andriamanitra. Koa satria Andriamanitra Jesoa dia marina izay lazainy. Mitaky finoana amin’izay manatona an’i Jesoa anefa izany. Mifamatotra amin’ny finoana ny tenin’Andriamanitra, fahatokiana ny tenin’Andriamanitra ny fialana amin’izay manahirana rehetra eo amin’ny fiainana. Ny herin’ny tenin’Andriamanitra koa dia tena manafaka antsika amin’ny karazan’olana eto amin’izao tontolo izao.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina
Ampiditra Hafatra