Mofon’aina 23 Septambra 2021
Romana 2. 25-29
ZAVA-DEHIBE NY FANKATOAVANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna hianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa hianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza. 26 Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza? 27 Ary tsy hohelohin’ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va hianao, izay mpandika ny lalàna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza hianao? 28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ny nofo no famorana; 29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy, fa tsy amin’ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin’ny olona, fa avy amin’Andriamanitra.
——————
Anisan’ny zavatra iray nireharehan’ny Jiosy ny maha-voafora azy. Nisy aza Jentilisa noteren’izy ireo noforana raha te hivavaka amin’Andriamanitra izy ireo. Nampianarin’i Paoly izy ireo fa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra no tena maha-Kristianina fa tsy endrikendrika ivelambelany fotsiny ihany. Zava-dehibe ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra satria
1. Idirana amin’ny faneken’Andriamanitra (and 25,26)
DIEM « Eny mahasoa anao ny famorana raha manatanteraka ny lalàna ianao, fa raha mandika ny lalàna ianao, dia toy ny tsy voafora mihitsy. 26 raha ny tsy voafora no mitandrina ny fepetran’ny lalàna, moa tsy hoheverin’Andriamanitra ho voafora ve izy, na dia tsy voafora aza »
Ny hoe voafora dia tsy tokony hohadinoina fa olon’ny fanekena, nanao fanekena tamin’Abrahama Andriamanitra ka izay nanaiky ho forana dia nandray tombontsoa avy amin’izany fanekena nataon’Andriamanitra izany. Na dia tsy taranak’i Abrahama ara-nofo aza ny Jentilisa, afaka miditra amin’izany faneken’Andriamanitra izany izy ireo amin’ny alalan’ny fankatoavana sy ny fanatanterahana ny tenin’Andriamanitra. Mampiditra amin’ny faneken’Andriamanitra ny fanekena hankatoa ny teniny.
Noho isika mankatoa ny tenin’Andriamanitra, ny didin’Andriamanitra dia tafiditra ao amin’ny faneken’Andriamanitra. Anisan’iray amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra ny fanekena an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy, izany no antsoina hoe finoana.
2. Ahazoana tombony mihoatra ny hafa (and 27)
DIEM «koa ilay tsy voafora ara-nofo, nefa manatanteraka ny lalàna no hanameloka anao izay manana ny lalàna voasoratra sy ny famorana nefa mandika ny lalàna »
Tonga manana fahefana eo anatrehan’ireo tsy mpankato sy tsy mpanatanteraka ny lalàna ireo jentilisa tonga manatanteraka ny lalàna. Ary ireo izay nahazo ny lalàna, ireo jiosy taranak’i Abrahama, amin’ny fotoana tsy hankatoavany ny lalàna sy tsy hanarahany ny tenin’Andriamanitra dia tonga tsarain’ireo izay mankatoa sy manatanteraka izany. Tombom-pahefana sy tombom-pahasoavana no ateraky ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra arak’izany.
Jesoa dia nahatanteraka hatramin’ny farany ny tenin’Andriamanitra sy ny baikony. Tsy mahagaga raha nomen’Andriamanitra Azy ny fahefana rehetra ety an-tany sy any an-danitra rehefa nandresy ny fahafatesana Izy.
3. Ahazoana sitraka amin’Andriamanitra (and 29)
DIEM « fa ny ao anaty no tena maha-Jiosy, ary izay voafora ao am-po no tena voafora noho ny asan’ny Fanahy Masina fa tsy noho ny asan’ny lalàna voasoratra : ka tsy mba olona no midera azy fa Andriamanitra mihitsy »
Ny hoe mahazo dera amin’Andriamanitra dia azo adika ihany koa hoe mahazo sitraka amin’Andriamanitra. Ankasitrahan’Andriamanitra izay mankato sy manatanteraka ny teniny. Jesoa dia nahazo izany sitraka izany sady ambaran’ny filazantsara fa Zanaka Malala rahateo. Ny finoana an’i Jesoa no mahatonga antsika ho tonga amin’izany fankatoavana an’Andriamanitra izany. Ary marina mandrakariva izay ambaran’ny mpanoratra ny Hebreo hoe : « Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy » Heb 11. 6
Ampiditra Hafatra