Mofonaina 23 Febroary 2021 Ny teo aloha Mofonaina 24 Martsa 2021 Ny tao aoriana Mofonaina 22 Febroary 2021

Mofonaina 23 Febroary 2021

Nehemia 9. 1-8

KRISTIANINA MIAVAKA AMIN’NY OLONA REHETRA

Ary tamin’ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’izany volana izany dia niangona ny Zanak’Isiraely, sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany. 2 Dia niavaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany. 3 Ary nitsangana teo amin’ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’i Jehovah Andriamaniny tamin’ny ampahefatry ny andro; ary tamin’ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny izy. 4 Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin’ny lampihazon’ny Levita ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah Andriamaniny. 5 Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an’i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin’ny fisaorana sy ny fiderana rehetra. 6 Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao. 7 Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an’i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran’ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama; 8 ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an’ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao.
Raha niteny Jesoa indray maka hoe : « ianareo no fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao », dia tiany ho tsapan’ny mpianatra fa olona miavaka amin’ny olona eto amin’izao tontolo izao ny Kristianina. Olona miavaka ny Kristianina satria

1. Olona tia miangona (and 1)

« Ary tamin’ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’izany volana izany dia niangona ny Zanak’Isiraely »
Ny hoe niangona dia ho enti-milaza fivoriana manokana natao hifandraisana amin’Andriamanitra, hihaonana amin’Andriamanitra, hifaneraserana indray amin’Andriamanitra. Anisan’izay tena tia niangona ny Jiosy nody avy tamin’ny fahababoana noho izy ireo tena nitady fanampiana tamin’Andriamanitra tamin’ny asa fanarenana napetrak’Andriamanitra tamin’izy ireo. Rehefa tafangona koa izy ireo dia niezaka nifady hanina, izany hoe tena nanao ny ezaka rehetra hifantohana tamin’ny fihaonana tamin’Andriamanitra. Ary rehefa izany dia tonga tamin’ny fiaikena heloka mihitsy. Anisan’ny nampiavaka ny vahoaka Isiraely ity fitiavan’izy ireo miangona mifandray tamin’Andriamanitra ka nivavahany Taminy ity.
Anisan’izay mampiavaka ny mino ankehitriny koa ny fitiava-miangona, izany hoe fanokanana fotoana sy toerana hifandraisana amin’Andriamanitra. Fa tena miavaka amin’ny olona rehetra ny kristianina raha miangona tokoa ka miezaka miala amin’ny ratsy mamatotra azy. Ny fialàna amin’izay ratsy mamatotra ny tena no tena mampiavaka amin’izao tontolo izao.

2. Olona tia mamaky Soratra Masina (and 3)

« Ary nitsangana teo amin’ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’i Jehovah Andriamaniny tamin’ny ampahefatry ny andro; ary tamin’ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny izy »
Rehefa niangona ny vahoaka Isiraely dia niezaka namaky ny tenin’Andriamanitra izy ireo. Ary asehon’ny mpanoratra fa tena nanana faharetana tamin’ny famakiana ny tenin’Andriamanitra izy ireo. Ny ampahefatry ny andro dia eo amin’ny ora valo eo ho eo. Ho enti-milaza faharetana amin’ny famakiana ny tenin’Andriamanitra sy ny fandinihana azy izany. Mampiavaka ny mino amin’izao tontolo izao ny fifandraisany feno amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny. Io fifamatoram-piainana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny io no mampiavaka ny mino noho ny vokatsoa azony avy amin’izany. Tena miavaka ny mino noho izy toloran’Andriamanitra saina amin’ny alalan’ny teniny. Miavaka ny mino noho ny fahendrena mahagaga omen’Andriamanitra azy amin’ny alalan’ny teniny. Mbola miavaka kokoa ireo izay manokana fotoana, manokana fotoana maharitra handinihina tenin’Andriamanitra.

3. Olona mahalala an’Andriamanitra (and 8)

« Ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao »
Arakaraky ny nandinihan’ny vahoaka Isiraely ny tenin’Andriamanitra no nampitombo ny fahalalany an’Andriamanitra. Nisaotra an’Andriamanitra izy ireo noho ny fahatsapany ny asan’Andriamanitra, noho ny fahatsapany fa marina Andriamanitra ka nahatanteraka ny teniny rehetra tamin’ny vahoaka Isiraely tamin’ny fotoana lasa (nanome ny tany kanana ho an’ny taranak’i Abrahama).
Mampiavaka ny mino amin’izao tontolo izao ny fahalalany manokana an’Andriamanitra. Io fahalalany an’Andriamanitra io dia vokatry ny fifaneraserany amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny. Miavaka kokoa io fahalalany an’Andriamanitra io satria fahalalana mari-pototra izy io, fahalalana avy amin’ny Soratra Masina izay fanambarana feno sy marina momba an’Andriamanitra.
Olona miavaka ny mino noho izy
– Tia miangona ka miaiky ny fahotany eo anatrehan’Andriamanitra
– Tia mamaky sy mandalina Soratra Masina ka mifandray feno amin’Andriamanitra
– Mahalala an’Andriamanitra ka marina ny fahalalany an’Andriamanitra noho ny tenin’Andriamanitra novakiany sy nodinihiny
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *