Mofon’aina 17 Septambra 2021
1 Petera 3. 18-22
JESOA KRISTY : MARINA HAMONJY NY TSY MARINA
Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny fanahy, 19 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-trano-maizna, 20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano. 21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, 22 Izay eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
——————
Jesoa dia ambaran’i Petera eto fa Ilay Marina hamonjy ny tsy marina. Mba ahafahana mamonjy tokoa dia mila olona iray izay marina, hitondra ny fahotan’ny olona rehetra. Jesoa no mahafeno ny fepetra maha-olo-marina izany. Izy ilay ambaran’ny Testamenta Vaovao ho Ilay olombelona faharoa (Adama faharoa), tsy nanota na dia niharan’ny fakam-panahy maro aza. Jesoa amin’ny maha-marina Azy no
1. Mampifandray antsika amin’Andriamanitra indray (and 18)
« Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny fanahy »
Tsy afaka nifandray tamin’Andriamanitra intsony isika noho ny fahotana. Tapaka tanteraka ny fifandraisana tamin’Andriamanitra. Ny safodranon’i Noa ambaran’i Petera eto dia fampahatsiahivana izany fahatapaham-pifandraisana tamin’Andriamanitra izany. Noho ny amin’i Jesoa, izay marina, Zanaka malala, sitrak’Andriamanitra dia afaka mifandray amin’Andriamanitra indray isika. Rehefa mandray an’i Jesoa mantsy isika, rehefa mino Azy dia tsy isika amin’ny maha-olo-meloka, tsy marina antsika no hitan’Andriamanitra fa Jesoa Zanany malalany, izay tiany. Koa rehefa mahita an’i Jesoa ao amintsika Andriamanitra dia mifandray indray amintsika.
Arak’izany, mbola tapaka mandraka androany ny fifandraisana amin’Andriamanitra, ho an’izay rehetra tsy mety mino sy manaiky ny maha-Mpamonjy an’i Jesoa. Adidin’ny fiangonana arak’izany ny mitory filazantsara mba hahatonga ny olona hihaona amin’i Jesoa ka hino Azy. Ary rehefa mino izy dia ho tafaverina amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra.
2. Tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra (and 22)
« Izay eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery »
Jesoa izay mampifandray antsika amin’Andriamanitra, ary mampifandray an’Andriamanitra amintsika no ambara eto fa nomena ny hery sy ny fahefana rehetra. Eken’ny mponin’ny lanitra rehetra izany. Noho io fahamarinan’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao io no nahatonga an’Andriamanitra hanome fahefana sy hery Azy. Matoky an’i Jesoa rahateo Andriamanitra ka manolotra ny fanjakany ho eo am-pelantanan’i Jesoa.
Sambatra isika Kristianina fa mivavaka amin’Andriamanitra tompon’ny hery sy fahefana rehetra ety an-tany sy any an-danitra. Tombony lehibe ho antsika izany. Tombony lehibe ho antsika Kristianina, izay mino Azy satria mahazo manantena isika fa ho anisan’izay afaka handova izany fanjakan’Andriamanitra izany.
Ampiditra Hafatra