Mofon’aina 16 Oktobra 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 17 Oktobra 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 15 Oktobra 2021

Mofon’aina 16 Oktobra 2021

Lioka 14. 7-11

FANETRE-TENA MANANDRATRA

Ary Jesosy nanao fanoharana tamin’izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe: 8 Raha misy maka anao ho any amin’ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin’ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho hianao, 9 ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io; dia ho menatra hianao ka hifindra ho any amin’ny fitoerana aoriana indrindra. 10 Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin’ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao hianao. 11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
——————
Rehefa nasain’ny Fariseo iray hisakafo tao an-tranony Jesoa dia tonga tany. Hitan’i Jesoa tao amin’ny fanasana ny fiadivan’ireo nasaina voninahitra. Samy te hisongadina izy ireo, ary arak’izao fampianaran’i Jesoa eto izao dia azo heverina fa nisy ady toerana sy voninahitra tao. Teo anatrehan’izany, na dia vahiny nasaina aza Jesoa dia niezaka nananatra ireto olona niara-nasaina Taminy. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra
1. Mipetraha amin’izay toerana sahaza anao (and 8,9)
« Raha misy maka anao ho any amin’ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin’ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho hianao, 9 ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io; dia ho menatra hianao ka hifindra ho any amin’ny fitoerana aoriana indrindra »
Amin’ny alalan’ny fisafidianana toerana amin’ny fanasana iray dia efa hahitana sahady izay mety ho toetry ny olona. Ekena tokoa fa misy ambaratongany ny fiarahamonina. Ekena fa misy toerana sahaza ny tsirairay. Te hampianatra Jesoa eto hoe aoka ny hafa no hametraka antsika amin’ny toerana sahaza antsika. Ny hafa izay mahafantatra ny lanjantsika no aoka hametraka antsika amin’izay toerana sahaza izany lanjantsika izany. Aza dia miady toerana sy voninahitra fa raha arak’izao fampianaran’i Jesoa izao dia misy toerana sy voninahitra efa sahaza ny tsirairay avy ka samy hipetraka amin’izany ny tsirairay avy. Hoy ny fomba fiteny vahiny izay hoe : « La Bonne Personne à la bonne place ». Izany rahateo no tena tian’i Jesoa holazaina raha mampianatra Izy hoe : « Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao hianao » and 10.
2. Asandratr’Andriamanitra izay mahay manetry tena (and 11)
« Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra »
Andriamanitra no mahafantatra tsara ny lanjan’ny olona tsirairay avy. Izy rahateo no mahay mametraka ny olona rehetra amin’ny toerana sahaza izay lanjan’ny olona tsirairay avy izay. Fa Andriamanitra no mahita izay tena manetry tena ka manandratra azy amin’ny toerana sy ny voninahitra sahaza azy. Nanamafy izany Jesoa tamin’ny Apsotoly indray maka raha niady ny hipetraka eo an-kavia sy eo an-kavanany ny Apostoly. Hoy Jesoa tamin’ireo Apostoly : « fa ny hipetraka eo an-tànako ankavanana na eo an-tànako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany ho homena » Mar 10. 40. Efa namboarin’Andriamanitra ny toerana sy ny voninahitra sahaza ny olona rehetra. Ary Izy Andriamanitra irery ihany no mametraka ny olona rehetra amin’izany. Jesoa araka izay nampianarin’i Paoly ao amin’ny Filipiana 2. 5-11 dia tena nanetry tena tokoa ka nasandratr’Andriamanitra. Aoka koa ho amintsika Kristianina mino Azy ny toe-tsainy mba hanandratan’Andriamanitra antsika sy hametrahany antsika amin’ny toerana sahaza antsika tsirairay avy.

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *