Mofon’aina 15 Septambra 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 16 Septambra 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 14 Septambra 2021

Mofon’aina 15 Septambra 2021

Salamo 51. 1-12

ANDRIAMANITRA MAMINDRA FO SY MIANTRA

Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. 2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. 3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. 4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara. 5 Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. 6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ny miafina no ampahafantarinao ahy. 7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka. 8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ny taolana izay voavakivakinao. 9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. 11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. 12 Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
Vavaka fifonana nataon’i Davida ity Salamo 51 ity rehefa nanarin’i Natana izy raha naka an’i Batseba vadin’ny komandin’ny miaramilany. Nalefany tany an’ady mafy ary maty tany mantsy Oria vadin’i Batseba mba ahafahany mahazo an’i Batseba. Rehefa nanarina izy dia nahatsiaro ny fahadisoany ka nibebaka. Ireto no hafatra tsara tadidiana
1. Anjaran’ny mpanompon’Andriamanitra no mampahatsiaro ny fahotan’ny olona (2 Sam 12. 7)
« Dia hoy Natana tamin’i Davida : Hianao no izy »
Rehefa nanao ny tsy rariny tamin’i Oria Davida mba ahazoany an’i Batseba dia nirahin’Andriamanitra Natana nananatra azy araka ny 2 Sam 12. Asehon’izao mofonaina izao fa anjaran’ny irak’Andriamanitra ny mananatra izay rehetra manao tsy mendrika sy tsy marina. Asan’ny mpanompon’Andriamanitra ny mitondra fananarana rehefa tsy mety ny ataon’ny olona. Antony niantsoan’Andriamanitra azy ireo izany. Asan’izy ireo rahateo izany. Ny tena mpanompon’Andriamanitra dia mananatra, miteny, mitaona ny olona hibebaka, hiala amin’ny faharatsiana. Asa fanompoana notanterahin’i Jesoa izany, rehefa teto amin’izao tontolo izao izany. Ny tena mpanompon’Andriamanitra dia mananatra sy miteny rehefa mahita tsy mety. Ento am-bavaka arak’izany ireny irak’Andriamanitra ireny fa tsy dia mora mandrakariva akory izany miteny sy mananatra ny olona izany.
2. Anjaran’ny olona no mibebaka (and 1)
« Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô »
Asehon’ny mofonaina fa rehefa mahatsiaro diso, tsy nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, nanao izay tsy marina teo anatrehan’Andriamanitra, dia azo atao tsara ny mibebaka. Mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra. Tsapan’i Davida fa tsy vitany ny manafaka ny tenany amin’izao fahotana lehibe nataony izao. Izany no nahatonga azy nangataka famelan-keloka tamin’ny Tompo. Eo amin’izay hahatsapantsika fa tsy mahay manafa-tena amin’ny herin’ny ota isika, eo amin’izay hahatsapantsika fa tsy mahay miala amin’ny vesatry ny fahotana isika, mampianatra antsika Davida fa azo atao tsara ny mangataka famelan-keloka amin’ny Tompo. Raha ohatra mantsy ka mahay miala amin’ny vesatry ny fahotana isika dia tsy nila an’Andriamanitra. Noho isika tsy mahay mamonjy tena no nahatonga an’Andriamanitra naniraka an’i Jesoa hamonjy sy hamela heloka antsika. Araraoty ny fotoana hifandraisana amin’i Jesoa fa hahazoana tombontsoa izany.
3. Anjaran’Andriamanitra ny mamela heloka (and 1)
« Araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao vonoy ny fahadisoako »
Tena asan’Andriamanitra madiodio ny mamindra fo sy mamela heloka. Andriamanitra ihany no manana hery sy fahefana manafaka antsika amin’ny herin’ny fahotana. Tsapan’i Davida izany ka nahatonga azy tena nitalaho tamin’Andriamanitra famindram-po sy famelan-keloka.
Aza mitady famelan-keloka amin’ny toeran-kafa na amin’andriamani-kafa. Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa ihany no mahay manome izany araka ny fampianaran’ny Testamenta Vaovao.

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *