Mofon’aina 13 Septambra 2021
Romana 6. 1-7
NY TALOHA SY NY ANKEHITRINY ARY NY HO AVY
Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin’ny ota.
——————
Rehefa tena dinihina ny fiainana kristianina dia misy taloha, misy ankehitriny, ary hisy ho avy. Ny taloha dia ho enti-milaza fiainana mbola tsy nihaona tamin’i Kristy, ny ankehitriny dia fiainana tafahaona amin’i Kristy, ary ny ho avy dia fiainana nateraky ny fihaonana amin’i Kristy. Ahoana moa izany ?
1. Ny taloha : fiainan-ko azy sy fatoram-pahotana (and 6)
DIEM « fantatsika fa ny maha-olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana »
Ny maha-olona taloha dia fiainana tapahin’ny fahotana, fiainana feno fahotana noho isika mbola tsy tafahaona tamin’i Kristy. Fiainana tao anaty tsy fahalalana no ilazan’i Paoly azy raha niteny izy hoe : « izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory ; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin’ny tsy fahalalana no nanaovako izany noho ny tsy finoana » 1 Tim 1. 13. Ilay tsy fahalalana dia ho enti-milaza fiainana tsy mahafantatra an’Andriamanitra, fiainana lavitra an’Andriamanitra, fiainana tsy mbola nifanenana tamin’i Jesoa.
Samy efa nanana ny talohany avokoa ny mino rehetra, samy efa tao anaty tsy fahalalana, samy efa lavitra an’Andriamanitra avokoa. Isaorana anefa ny Tompo fa tsy navelan’Andriamanitra ho tavela tao fa nafindrany amin’ny ankehitriny.
2. Ny ankehitriny : fiombonana amin’i Kristy (and 4)
DIEM « koa tamin’ny alalan’ny batisa dia niombona amin’ny fahafatesan’i Kristy Jesoa isika ary niara-nalevina taminy »
Ny ankehitrinin’ny mino dia voamariky ny fiombonany amin’i Kristy. Niala tany an-danitra Jesoa Kristy mba hifanena amin’ny mino rehetra. Ary izany fifanenana izany no miteraka fiombonana eo amin’ny mino sy Kristy Jesoa. Isaorana Andriamanitra fa efa noravany ny elanelana rehetra mampisaraka antsika Aminy tamin’ny nahatongavan’i Jesoa ho ety amin’izao tontolo izao. Noho io ezaka manokana nataon’i Jesoa io dia tonga afaka manatona an’Andriamanitra isika, miray amin’i Jesoa.
Samy efa nanana ny ankehitriny koa ny mino rehetra, samy efa nanana ny fotoana nihaonany tamin’i Jesoa, samy efa nanana ny fomba nifandraisany tamin’i Jesoa ka nahatonga fiombonana feno Taminy. Fotoana sarobidy indrindra ny ankehitriny ho an’ny mino, fotoana sarobidy mampitsimbadika ny zavatra rehetra. Fotoana ialana amin’ny taloha (famatoran’ny ota) hifindrana ho amin’ny fahazavana lehibe.
3. Ny ho avy : fanehoana fiainam-baovao (and 4)
DIEM « koa tamin’ny alalan’ny batisa dia niombona amin’ny fahafatesan’i Kristy Jesoa isika ary niara-nalevina taminy, mba ho tahaka ny nananganana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty noho ny herin’Andriamanitra Ray be voninahitra no HIZORANTSIKA KOA AMIN’NY FIAINAM-BAOVAO »
Ny fihaonana amin’i Jesoa dia miteraka fiovana mandrakariva. Fiovana ho amin’ny tsara mandrakariva. Izany fiovana izany dia tonga adidy ny maneho azy amin’ny fiainana ho avy rehetra. Mila mizotra amin’ny fiainam-baovao nateraky ny fiovana noho ny fiombonam-piainana amin’i Jesoa ny mino amin’ny fiainany rehetra, mandra-piavin’i Jesoa eny amin’ny rahon’ny lanitra.
Isika dia manana adidy haneha fa tena manova Jesoa, tena miasa ka mamindra antsika ho amin’ny fiainana tsara kokoa izy. Ny fiainantsika, ny fitondrantsika ny fiainantsika, ny fijoroantsika ho vavolombelona no fomba mety indrindra hanatanterahantsika izany.
Ampiditra Hafatra