Mofon’aina 12 Oktobra 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 13 Oktobra 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 11 Oktobra 2021

Mofon’aina 12 Oktobra 2021

Isaia 55 : 1 – 3

NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA

He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena. 2 Nahoana ianareo no mandany* vola amin’izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo.[* Na: mandanja] 3 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’i Davida.
——————–
Miresaka momba ny Fahasoavan’Andriamanitra izao mofonaina izao. Ny Fahasoavan’Andriamanitra dia
1. Tsy sandaina vola (and 1)
«Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena»
Vidiana ilay Fahasoavan’Andriamanitra kanefa tsy vola aman-karena no afahana mividy azy. Tsy voavidy amin’ny vola aman-karena ny Fahasoavan’Andriamanitra. Tsy ampy ividianana azy ny vola sy ny haren’ny tany. Izany no mahatonga ny Fahasoavan’Andriamanitra ho maimaim-poana ao amin’i Jesoa Kristy. Tsy hisy na iza na iza afaka hisitraka izany raha sandaina vola aman-karena izany.
Raisina maimaim-poana ao amin’i Jesoa izany.
2. Tsara (and 2)
«Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo»
Ambaran’ny Soratra Masina eto fa sady tsara no matavy izay avy amin’Andriamanitra. Ilay kalitao mihitsy no tsara karazana no tian-kambara eto. Ny mahatsara azy dia izy tsy maintsy ialohavan’ny fandrenesana ny Tenin’Andriamanitra. Mihaino aloha vao mihinana sy miravoravo. Ny fanasan’ny Tompo tokoa dia aorian’ny fandrenesana fanazavana Soratra Masina mandrakariva. Aza maika hihinana raha tsy mandre aloha.
3. Mamelona (and 3)
«Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo»
Fahavelomana mandrakizay no ao ambadiky ny fanomezan’Andriamanitra ny fahasoavany. Olona maro no afaka hisitraka izany. Fihinana sy fisotro-panahy no filazan’i Paoly azy. Izay avy amin’Andriamanitra dia mikendry io fiainana mandrakizay io. Izany koa no tena niavian’i Jesoa. Izay efa ao amin’i Jesoa ihany no afaka misitraka io Fahasoavan’Andriamanitra io.

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *