Mofonaina 12 Janoary 2021
2 Petera 1. 1-11
JESOA KRISTY MANEHO NY MAHA-IZY AZY AN’ANDRIAMANITRA
1 Simona Petera, mpanompo sy Apostolin’i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka anay amin’ny fahamarinan’i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy: 2 hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika. 3 Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany; 4 ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana; 5 koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, 6 ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra, 7 ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. 8 Fa raha ananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika. 9 Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadiny no nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny izy. 10 Ary amin’izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay, 11 fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay, izay an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
Ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao dia niezaka naneho tamin’ny asa sorany fa Jesoa no fanehoan feno an’Andriamanitra. Jesoa Kristy no Andriamanitra hita maso maneho an’Andriamanitra tsy hita maso. Izy rahateo efa niteny fa « izay nahita Azy dia nahita ny Ray ». Raha te hahafantatra an’Andriamanitra arak’izany dia mila mijery sy mamantatra an’i Jesoa izay efa tonga teto amin’izao tontolo izao. Rehefa mamaky ny 2 Pet 1. 1-11 isika dia ahita ireto zavatra roa maneho an’Andriamanitra ireto
1. Andriamanitra manome fiainana sy toe-panahy araka an’Andriamanitra Jesoa (and 3)
« Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany »
Hoy Paoly « Kristy, izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra » 1 Kor 1. 24. Jesoa no herin’Andriamanitra arak’izany. Eto dia ambaran’i Petera fa « Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra ». Efa nomen’i Jesoa ho antsika arak’izany ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Amin’ny alalan’i Jesoa dia tonga manana fiainana sy toe-panahy araka an’Andriamanitra ny mino. Rehefa tena mamaky tsara isika dia misy filaharany ilay zavatra nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa : fiainana aloha vao toe-panahy araka an’Andriamanitra.
- Jesoa manome fiainana aloha, ary araka ny Jao 10. 10, Jesoa rehefa manome dia manome be dia be. Tsy fiainana eto amin’izao tontolo izao ihany anefa no omen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa. Fa araka izay nampianarin’i Jaona dia fiainana mandrakazay no omen’Andriamanitra antsika izay mino an’i Jesoa. Sady fiainana eto amin’izao tontolo izao, no fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika.
- Toe-panahy araka an’Andriamanitra izay mitahiry antsika ao amin’ny fiainana mandrakizay izay nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’i Jesoa. Tsy maintsy nomena toe-panahy araka an’Andriamanitra izay nahazo fiainana mandrakizay.
Sambatra isika kristianina fa nomen’Andriamanitra fiainana mandrakizay sy ny fomba hitehirizantsika tena ao amin’izany fiainana mandrakizay izany. Io toe-panahy araka an’Andriamanitra io dia azontsika rehef mitombo ny fahalalana an’Andriamanitra arak’izao filazan’i Petera azy izao. « Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika ». Mifamatotra amin’ny fahaizana Soratra Masina izany ny fananana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
2. Manadio amin’ny fahotana (and 9)
« Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadiny no nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny izy »
Nodiovin’Andriamanitra tamin’ny fahotana fahiny ny mino hoy Petera. Tamin’ny alalan’i Jesoa dia afaka nanadino ny mino tamin’ny fahotana Andriamanitra. Jaona dia manamafy fa tamin’ny alalan’i Jesoa, « rehefa miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra » 1 Jao 1. 9.
Jesoa Kristy no nitondra ny fahotana rehetra, ka tsy ho nanadio fotsiny ihany fa tena namono ny herin’ny fahotana mihitsy teo amin’ny hazo fijaliana. Noho ny amin’i Jesoa dia afaka mamono ny herin’ny ota sy mandresy ny fahafatesana mihitsy ny mino. Andriamanitra ihany mantsy no manana hery sy fahefana mamono ny ota sy ny heriny. Andriamanitra Jesoa, maneho fa afaka mandresy tsara ny ota sy ny herin’ny fahafatesana Izy. Noho ny amin’i Jesoa, izay maneho ny maha-izy azy an’Andriamanitra dia tonga haintsika fa azo resena sy vonoina ny ota sy ny herin’ny fahafatesana.
Tsy vitan’ny hoe manome fiainana fotsiny Jesoa, fa mamono ny ota izay mahatonga ny mino tsy hahazo izany fiainana izany Izy. Sambatra isika Kristianina fa noho ny amin’i Jesoa dia tsy tokony hisy intsony tsy hahazoantsika fiainana mandrakizay. Efa noresen’i Jesoa ny ota sy ny fahafatesana izay te hihazona antsika tsy hanana fiainana mandrakizay.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina
Ampiditra Hafatra