Mofon’aina 12 Aogositra 2021
Asan’ny Apostoly 7. 51 – 8. 1
NY MPANAO ASA TSARA HO AN’ANDRIAMANITRA
Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, hianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa. 52 Iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian’Ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy hianareo, 53 dia olona izay nahazo ny lalàna tamin’ny nandaharan’anjely azy, nefa tsy nankatò izany. 54 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy. 55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra, 56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’olona mitsangana eo an-kavanan’Andriamanitra. 57 Ary ny olona niantso tamin’ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, 58 dia nandroaka azy ho eny ivelan’ny tanàna ka nitora-bato azy, ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan’ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. 59 Ary ny olona nitora-bato an’i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. 60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry. 8. 1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa
Rehefa mamaky ny tantaran’i Stefana isika, izay maritiora voalohany teo amin’ny tantaran’ny fivavahana Kristianina dia mahita fa tsy zavatra mora ny mijoro manatanteraka asa tsara ho an’Andriamanitra. Fiarahamonin’ny olona mafy fo sy mafy hatoka mantsy ny fiarahamonina nisy azy, izay endriky ny fiarahamonina ankehitriny koa. Arak’izany, ny olona manao asa soa dia
1. Mety iharan’ny fanoherana (and 51,52)
« Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, hianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa. 52 Iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian’Ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy hianareo »
Nambaran’i Stefana tamin’ireo Jiosy izay nitoriany ny filazantsara ny toetran’ireo ray aman-drenin’ireto Jiosy nihaino azy. Nambarany fa tsy samihafa amin’ireo ray aman-dreny izy ireo. Tena mitovy tokoa eo amin’ny fifandraisana amin’ireo olona irahin’Andriamanitra hiasa ho Azy. Na dia asa tsara aza no ataon’ireo nirahin’Andriamanitra dia asehon’ny tantara amintsika fa notoherina izy ireo. Noho izany, tsy hoe rehefa tsara ny asa atao dia hahazo sitraka mandrakariva isika. Mety tena iharan’ny fanoherana toa an’ireo mpaminany tao amin’i Testamenta Taloha, mety iharan’ny fanoherana toa an’i Jesoa sy ireo Mpanompony maro be.
Mety tsy ho sitraka no azon’izay manao asa tsara, asan’Andriamanitra, mety ho fanoherana sy fanenjehana izany. Tsy natao hahakivy tsy hiasana tsara ho an’Andriamanitra anefa izany. Efa nanjo ny rahalahy rehetra izany. Na hahazo sitraka, na iharan’ny fanenjehana, atao tsara mandrakariva ny asa nanirahan’Andriamanitra.
2. Mahita ny voninahitr’i Jesoa Kristy (and 55,56)
« Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra, 56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’olona mitsangana eo an-kavanan’Andriamanitra »
Teo anatrehan’ny fanoherana sy ny fanenjehana ary ny fikasana hamono an’i Stefana dia ambaran’i Lioka eto fa feno ny Fanahy Masina Stefana. Ary rehefa nibanjina ny lanitra izy dia navelan’Andriamanitra hahita ny Voninahiny. Noho ny fahitany io voninahitr’Andriamanitra sy Jesoa io dia tsy nampaninona azy ny ho faty. Ary raha ny marina dia ambara eto fa nisokatra ho azy ny lanitra. Zava-dehibe amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny mahita ny voninahitr’Andriamanitra. Zava-dehibe noho izany mampahery amin’ny fanatanterahana asa tsara ho an’Andriamanitra. Ilaina mihitsy aza izany mahita an’Andriamanitra sy Jesoa amin’ny voninahiny izany fa izany no toy ny hery manentana ny mino hanao asa tsara mandrakariva ho an’Andriamanitra.
Toa an’i Isaia, rehefa nantsoina ho irak’Andriamanitra dia navelan’Andriamanitra hahita ny voninahiny aloha, rehefa nahita izany voninahitr’Andriamanitra izany Isaia dia sahy niteny hoe : « Inty aho, iraho aho » Isa 8. Isika koa, mangataha amin’Andriamanitra mba hanehoany ny voninahiny mba tsy ho kivy amin’ny fanatanterahana asa tsara ho an’Andriamanitra. Ary na dia eo anatrehan’ny fahafatesana aza dia mba hijoro hanao asa tsara mandrakariva.
Ampiditra Hafatra