Mofon’aina 10 Oktobra 2021
Matio 26. 26-29
IREO TSARA FITADIDY RAHA MIRESAKA FANASAN’NY TOMPO
Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. 27 Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity; 28 fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. 29 Ary lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko.
—————-
Ny fanasan’ny Tompo dia fahasoavan’Andriamanitra nomena ny fiangonana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amin’ny maha-fahasoavan’Andriamanitra azy dia ireto no tsara hotadidiana rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo
1. Sarobidy ny fisaorana an’Andriamanitra (and 26,27)
« Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy… Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra »
Mialohan’ny nanoloran’i Jesoa ny tenany sy ny ràny dia nisaotra aloha Izy. Ny fisaorana dia fankasitrahana an’Andriamanitra noho ny fahasoavana sy fitahiany. Fomban’i Jesoa io mivavaka misaotra an’Andriamanitra io. Fampianaran’i Jesoa ny Mpianany izany fa mialoha ny handraisana ny Fanasan’ny Tompo dia sarobidy ny vavaka fisaorana sy fankasitrahana an’Andriamanitra.
Toe-po amam-panahy volena ao amin’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ny toe-po amam-panahy mahay mankasitraka, misaotra an’Andriamanitra noho ny fahasoavan’Andriamanitra raisina amin’ny alalan’i Jesoa. Ny mpandray ny fanasan’ny Tompo arak’izany dia olon’ny vavaka, olon’ny fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka.
2. Izay miray latabatra ety, hiray latabatra ary (and 29)
« Ary lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko »
Ireo Apostoly niray latabatra tamin’i Jesoa eto amin’izao mofonaina izao no lazain’i Jesoa hiaraka hisotra izay vaovao ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Izay efa tafaray tamin’i Jesoa tety an-tany no afaka miombona Aminy koa rahatrizay any an-danitra. Aoka tsy hohadinoina fa fiombonana tanteraka amin’i Jesoa ny fanasan’ny Tompo. Koa izay tena efa tonga tamin’ny fiombonana tamin’i Kristy izay no hiombona Aminy koa rahatrizay.
Ny firaisana latabatra amin’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao dia santatry ny firaisana Aminy rahatrizay. Izay ilay ambaran’ny Testamenta Vaovao hoe : « ici et maintenant ». Efa misitraka sahady ny fiainana mandrakizay, fihinam-panahy sy fisotrom-panahy ny Kristianina rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo izy.
Ampiditra Hafatra