Mofonaina 10 Febroary 2021 Ny teo aloha Mofonaina 11 Febroary 2021 Ny tao aoriana Mofonaina 09 Febroary 2021

Mofonaina 10 Febroary 2021

Asan’ny Apostoly 13. 42-52

NY TENIN’ANDRIAMANITRA NAMPIANARIN’I PAOLY

Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin’ny Sabata manaraka. 43. Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. 44. Ary nony tamin’ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin’Andriamanitra. 45. Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’i Paoly, sady niteny ratsy*. [* Grika: nanao blasfemia, izahao Matio 9:3] 46. Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ny fahasahiana ka nanao hoe: Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin’ny jentilisa izahay; 47. fa izao no nandidian’ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan’ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany Ianao (Isaia 49:6). 48. Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’Andriamanitra*; ary izay voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay dia nino. [* Na: ny tenin’ny Tompo] 49. Ary ny tenin’ny Tompo dia naely eran’izany tany rehetra izany. 50. Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin’i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin’ny taniny. 51. Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma. 52. Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.
Ny fiitaran’ny filazantsara tany amin’ny jentilisa no anisan’ny zavatra iray nahamaika an’i Lioka raha nanoratra ny Asan’ny Apostoly izy. Nahatratra olona maro ny finoana Kristianina rehefa tena nitory filazantsara ny Kristianina. Rehefa nampianatra ny tenin’Andriamanitra Paoly tamin’ny fitoriana ny filazantsara nataony dia

1. Nahaliana ny mpihaino azy izany (and 42,44)

“Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin’ny Sabata manaraka… 44. Ary nony tamin’ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin’Andriamanitra”
Paoly dia anisan’ireo Apostoly nahay lalàna, nahay ny Testamenta Taloha. Noho izay fahaizany ny Testamenta Taloha izay dia tena nahay nampianatra Soratra Masina, nampianatra ny tenin’Andriamanitra izy tamin’ny androny. Nahaliana ny olona ny fihainoana ny fampianarany ka nahatonga ireo mpihaino azy nangataka taminy mba hiverina hampianatra amin’ny fotoana manaraka iaraha-mivavaka. Rehefa tonga tokoa ny fotoana manaraka dia maro no nihangona hihaino ny fampianarany ny tenin’Andriamanitra. Rehefa tena mazava amin’ny olona ny tenin’Andriamanitra dia mahaliana azy izany, ary tonga eo mandrakariva izy hihaino izany. Anisan’iray ilazana ny maha-izy azy ny tenin’Andriamanitra io toetra mahaliana ny fihainoana azy io.
Anisan’ny zavatra tsara indrindra ampianarina ny fiangonan’Andriamanitra ny tenin’Andriamanitra fa mahatonga ny olona ho tamana ao amin’ny fiangonana izany. Rehefa tsara sy mazava ny fampianarana sy toriteny dia misarika ny olona hiverina am-piangonana izany.

2. Nampiavaka ny mpihaino (and 46, 48)

“Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ny fahasahiana ka nanao hoe: Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin’ny jentilisa izahay… Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’Andriamanitra*; ary izay voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay dia nino”
Nizara roa ny olona teo am-pihainoana ny tenin’Andriamanitra. Nisy faly, nisy kosa tsy faly fa nahatsiaro maty antoka. Nialona satria very tombontsoa. Lasan’i Paoly avokoa ny olona, maro no nihaino an’i Paoly, lasa Paoly no olo-malaza, ary nanomboka takona ny jiosy. Very fihinana ka natahotra tsy ho hita tabilao intsony. Lojika ny fihetsika. Rehefa tena toriana ny tenin’Andriamanitra dia miavaka eo ny mino, izay ambaran’i Lioka fa voalahatra amin’ny fiainana mandrakizay. Ireo mino ireo ilay faly rehefa mandre ny tenin’Andriamanitra. Eo am-pihainoana fotsiny kay dia azo fantarina ny miditra amin’ny fiainana mandrakizay. Raha mahafaly anao ny fanazavana ny tenin’Andriamanitra, raha mahatsiaro tombontsoa ianao eo am-pandrenesana ny tenin’Andriamanitra dia azo antoka fa efa voalatra ho amin’ny fiainana mandrakizay ianao. Mampitombo ny finoanao mantsy ilay teny ka mahafaly anao sy mahatonga anao hankalaza an’Andriamanitra.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *