Mofonaina 11 Febroary 2021
Romana 4. 13-25
KRISTIANINA MANANA FINOANA
Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin’ny finoana, no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy. 14 Fa raha izay amin’ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana; 15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna. 16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an’ny taranaka rehetra, tsy ho an’izay amin’ny lalàna ihany, fa ho an’izay amin’ny finoana an’i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra 17 araka ny voasoratra hoe: “Nataoko ho rain’ny firenena maro hianao” (Gen. 17. 5) – teo anatrehan’Izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy. 18 Ary na dia efa tsy nisy nanatenana aza, dia nanatena ihany izy ka nino, mba ho rain’ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao” (Gen. 15. 5). 19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha, 20 ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra 21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. 22 Dia nisaina ho fahamarinany izany. 23 Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany, 24 fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty, 25 Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fahamarinana antsika.
Ity mofonaina voalahatra ho antsika anio ity dia famelambelarana ny amin’ny lalàna sy ny finoana. Amin’i Paoly dia sarobidy lavitra ny finoana raha mitaha amin’ny lalàna. Ny finoana mantsy no mahatonga ny mino ho mpandova raha toa ka mitondra ho amin’ny fahatezerana kosa ny lalàna. Tsy misy na iza na iza mantsy mahatanteraka ny lalàna rehetra. Noho ny amin’i Jesoa irery ihany no mahatonga ny mino hahatanteraka ny lalàna. Jesoa irery mantsy no hany olombelona nahatanteraka ny lalàna.
Ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao raha nanoratra momba ny finoana dia niezaka niresaka mandrakariva an’i Abrahama izay ambaran’ny Testamenta Taloha fa Rain’ny finoana. Noresahany fa tena olon’ny finoana Abrahama. Ary ambaran’i Paoly eto aza fa anisan’ny nilazana an’i Abrahama ho marina ny finoany. Nino an’Andriamanitra izay niantso azy izy. Noho ny finoany dia azo ambara fa natoky an’Andriamanitra Abrahama, ary noho ny finoany dia tanteraka tamin’i Abrahama ny teny fikasan’Andriamanitra rehefa nankato ny tenin’Andriamanitra Abrahama. Arak’izany, izay mino dia matoky an’Andriamanitra, matoky fa marina Andriamanitra ka marina izay lazainy, marina Andriamanitra ka afaka manatanteraka izay lazainy. Izay mino rahateo ihany no ahita sy ahatsapa ny fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra. Ny Kristianina manana finoana noho izany dia
1. Matoky an’Andriamanitra (and 20-22)
« Ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra 21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. 22 Dia nisaina ho fahamarinany izany »
Natoky an’Andriamanitra Abrahama, natoky ny teniny izy. Tsy nisalasala akory izy nankato an’Andriamanitra. Ary satria tsy nisalasala izy nankato an’Andriamanitra dia endriky ny fanomezany voninahitra an’Andriamanitra izany. Ity finoana niteraka fankatoavana an’Andriamanitra sy ny teniny ity no anisan’izay nampalaza an’i Abrahama rehefa mamaky ny Testamenta taloha isika. Ary raha miresaka an’i Jesoa ny Testamenta Vaovao dia miresaka Azy ho taranak’i Abrahama, Jesoa koa mantsy dia tena natanjaka tamin’ny finoana, natoky an’Andriamanitra tanteraka Izy.
Mba manao ahoana re ny finoantsika an’Andriamanitra, mba manao ahoana ny fahatokiantsika Azy ? raha manana an’i Jesoa ao amintsika isika, dia ho toa Azy, matanjaka amin’ny finoana ka hankato an’Andriamanitra ka hatoky tanteraka ny teniny.
2. Mahita ny fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra (and 17-20)
« Nataoko ho rain’ny firenena maro hianao” (Gen. 17. 5) – teo anatrehan’Izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy. 18 Ary na dia efa tsy nisy nanatenana aza, dia nanatena ihany izy ka nino, mba ho rain’ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao” (Gen. 15. 5). 19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha, 20 ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra »
Noho ny finoana tao amin’i Abrahama, noho izy natoky an’Andriamanitra dia notanterahin’Andriamanitra taminy ny teny fikasany. Raha nampanantena taranaka ho azy Andriamanitra dia notanterahiny izany tamin’ny nahaterahan’i Isaka. Fa na dia tsy tokony hanan-taranaka intsony aza Saraha, dia nomen’Andriamanitra taranaka avy amin’i Saraha Abrahama rehefa natoky tanteraka Azy. Nasehon’Andriamanitra tamin’i Abrahama fa mahay manatanteraka ny teniny tokoa Izy. Tsy hahita ny fahatanterahan’ny teny fikasan’Andriamanitra izay rehetra tsy mino. Ho an’izay mino tsy mihanahana ihany ny hahita ny fahatanterahan’ny teny fikasan’Andriamanitra. Koa aza mba isan’izay tsy mino, fa minoa dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina
Ampiditra Hafatra