Mofon’aina 07 Oktobra 2021
Habakoka 3. 17-19
FANANTENANA TSY RAVAN’NY ZAVA-TSAROTRA MAHAZO
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, ary tsy misy omby ao am-pahitra, 18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy. 19 Jehovah Tompo no tanjako, ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako.
—————-
Iray amin’izay mampiavaka ny Kristianina ny fananana fanantenana. Fanantenana miorina amin’ny famonjen’Andriamanitra na dia amin’ny fotoan-tsarotra tsy ahitam-bahaolana intsony aza. Vavaka nataon’i Habakoka ny toko fahatelo amin’ny bokiny. Vavaka maneho fa matoky an’Andriamanitra Mpamonjy azy izy. Notafian’ny Kaldeana ny Isiraely tany ho any amin’ny taona 600 talohan’i Jesoa Kristy, ary izany no voatantara ao amin’ny boky. Fantatr’i Habakoka fa na dia tsy afaka manohitra azy ireo aza ny Jiosy, dia afaka matoky kosa fa hain’Andriamanitra ny mamonjy ny vahoakany. Hita avy amin’izao tenin’i Habakoka izao fa ny tena Kristianina dia
1. Mety misedra zava-tsarotra saro-bahana (and 17)
« Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, ary tsy misy omby ao am-pahitra »
Misy tranga maromaro eto ho entin’i Habakoka milaza ireo zava-tsarotra mety hahazo ny Kristianina. Ny aviavy tsy mamontsina, ny voaloboka mandiso fanantenana, saha tsy misy vokatra, fahafatesan’ny biby fiompy. Mpiompy sy mpamboly ny ankamaroan’ny Jiosy, ny filazana ireo tranga ireo dia tena milaza fa misedra olana lehibe izy ireo. Olana mihatra aman’aina satria ny fambolena sy ny fiompina no miantoka ny fahavelomana. Neken’Andriamanitra ny nidiran’ny Kaldeana tao amin’ny tanin’ny Isiraely ka nahatonga azy ireo nisedra olana samihafa.
Amin’ny maha-Kristianina, misy fotoana mety mandalo fotoan-tsarotra isika. Eken’Andriamanitra rahateo ny mety hisian’izany. Tsy manakana antsika tsy handalo fotoan-tsarotra arak’izany ny maha-Kristianina antsika. Isika Kristianina aza no tena voasedra mafy indrindra eto amin’izao tontolo izao. Raha mandinika ny fiainan’ny Zanak’Isiraely isika dia vokatry ny fialàny tamin’Andriamanitra izany. Rehefa niala tamin’Andriamanitra sy tsy nankato Azy isika, dia Jesoa no tena nitondra ny mafy indrindra vokatr’izany.
2. Aoka tsy hanaisotra ny fifaliantsika ny zava-tsarotra mahazo antsika (and 18)
« Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy »
Na dia teo aza ny olana lehibe nateraky ny fidiran’ny Babylonianina tao amin’ny tanin’ny Isiraely, na dia tena nandiso fanantenana aza ny zavatra rehetra. Tsy mba nanaisotra ny fifaliana tao amin’ny Mpaminany izany. Matanjaka ny finoany, mafy orina ny fanantenany ka tsy voahaisotra ny fifaliany.
Asan’i satana sy ny demonia no manaisotra io fifaliana io eo amin’ny Kristianina. Ataony mafy ny miaina eto amin’izao tontolo izao, ampitomboiny ny olana samihafa, indrindra ho antsika Kristianina. Mazava ny tanjon’ireny : hanaisotra ny fifaliana eo amin’ny Kristianina. Na toy ny ahoana ary arak’izany no endriky ny fiainana, na mafy toy ny ahoana ny fisehony, isika Kristianina dia tokony hanam-pifaliana mandrakariva sy hiravoravo amin’Andriamanitra, izay fantatsika fa hamonjy antsika mandrakariva.
3. Omen’Andriamanitra hery ho enti-miatrika ny zava-tsarotra isika (and 19)
« Jehovah Tompo no tanjako, ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako »
Mazava tsara eto ny antony tsy mahakivy ny Mpaminany. Fantany fa omen’Andriamanitra hery sy tanjaka ho enti-miatrika ny zava-tsarotra nateraky ny fidiran’ny Babylonianina ao amin’ny tanànany izy. Na dia mafy aza ny vokatra ateraky ny fidiran’ity fanjakana fahavalo ity dia fantany fa ny hery omen’Andriamanitra azy no ahafahany miatrika izany. Raha hery sy tanjaka maha-olombelona tokoa mantsy dia tsy ampy ho enti-miatrika izany.
Eo amin’izay zava-tsarotra sedraintsika dia aza adinoina fa ny hery avy amin’Andriamanitra no hany afaka manampy antsika hisedra izany. Raha tsy ampy hery avy amin’Andriamanitra isika dia toy ny olon’izao tontolo izao ihany, mety ho kivy ka hamoy fo aza. Sambatra isika Kristianina manana an’i Jesoa sy ny Fanahiny izay mampahery antsika, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra. Raha hisedra zava-tsarotra ihany, aleo misedra izany miaraka amin’ny Tompo fa tsy mandeha amin’ny herin’ny tena.
Ampiditra Hafatra