Mofon’aina 05 Oktobra 2021
1 Petera 5. 5-9
NY TANORAN’NY FIANGONAN’ANDRIAMANITRA
Ary hianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena” (Oha. 3. 34). 6 Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; 7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55. 22). 8 Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 9 tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.
—————-
Izao mofonaina izao dia fampianaran’i Petera izay tokony hampiavaka ny tanora eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra. Ny tanora moa dia ho enti-milaza ireo zandry olona. Matetika ny zandry olona dia entanin’ny maha-zandry olona azy izay ka matetika tsy mahalala akory izay tokony hataony. Ny tanora Kristianina arak’izany dia entanina
1. Hanaja ny zokiolona (and 5)
« Ary hianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona »
Mihevi-tena ho manana ny marina mandrakariva ny tanora. Mihevi-tena ho manam-pahalalana mihoatra noho ny lehibe. Noho izany fiheveran-tena ho efa manana zava-maro izay dia malai-mihaino ny loholona ny tanora. Aoka anefa tsy hohadinoin’ny tanora fa ny ela nihetezana lava volo tokoa. Manana traik’efa maro ny loholona, ireo zokiolona, nandray ny finoana tamin’ireo ray aman-dreny ary miezaka mampita izany amin’ireo zandry olona. Ny hoe manaiky dia fanekena tokoa fa mila ny loholona ny tanora, mila ny toroheviny, mila ny tolotsainy, indrindra eo amin’ny fijoroana vavolombelon’i Jesoa. Ilain’ny tanora ny traikefan’ny zokiolona, eo amin’ny fiainana maha-Kristianina. Araraoty arak’izany ny fananana loholona eo amin’ny fiangonana hakana izay zava-tsoa rehetra ao amin’izy ireo hitondrana ny fiainana, indrindra hijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy.
2. Hanetry tena (and 6)
« Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro »
Ny misandratra hoy ny zokiolona iray izay hay ho azy fa ny manetry tena no sarotra. Manana fironana hanandra-tena ny olona fa tsy hanetry tena. Samy te haneho ny maha-izy azy ny olona fa azon’ny fakam-panahy hanandra-tena fa tsy hanetry tena velively. Manimba ny fifandraisana amin’ny hafa anefa ny fanandratan-tena. Mahatsara fifandraisana kosa ny manetry tena. Ny tombontsoan’ny fanetre tena no ampianarin’i Petera eto. Izay manetry tena, Andriamanitra mihitsy no manandratra azy, izay manandra-tena kosa, Andriamanitra koa no manetry azy. Ny fitiavan’ny tanora te hisongadina mihoatra ny hafa no mahatonga ny fakam-panahy hanandra-tena matetika. Asan’Andriamanitra arak’izao fampianaran’i Petera izao no manandratra. Aoka ho asany mandrakariva izany. Jesoa ohatra, rehefa nanaiky nanetry tena teto amin’izao tontolo izao dia nasandratr’Andriamanitra. Hoy Paoly mitantara : « Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, 6 Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, 7 fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; 8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana. 9 Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, 10 mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin’ny tany, 11 sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray » Fil 2. 5-11.
3. Hametraka ny fanahiana amin’Andriamanitra (and 7)
« Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo »
Iray amin’izay manamarika ny fiainan’ny tanora ny fanahiana. Be fanahiana momba ny ho avy ny tanora. Tsy dia mahazo antoka loatra ny amin’ny ho avy ny tanora. Ampianarin’i Petera ny tanora hahay hametraka ny fiainany, ny ho aviny, izay rehetra mampiahiahy sy mampitebiteby azy amin’Andriamanitra. Andriamanitra mantsy no azo itokiana hanome ho avy mamiratra ho an’ny tanora. Aoka ny tanora hahatsiaro mandrakariva itony tenin’ny mpanao Salamo itony hoe : « Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka » Sal 37. 5. Teny maneho fahatokiana tanteraka an’Andriamanitra izany. Andriamanitra irery ihany no toky tsy mamitaka.
4. Hifehy tena (and 8,9)
« Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 9 tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo »
Matanjaka be amin’ny fotoan’ny fahatanorana ny filàna samihafa ara-nofo. Rehefa tsy mahay mifehy tena ny tanora dia hanimba azy izany. Hitarika azy any amin’ny fanomezana fahafaham-po ny nofo ka handatsaka azy ao anatin’ny fijangajangana na ny filàna samihafa sy ny fanaranam-po izay tsy mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra. Mila toherina ny devoly izay mandranitra amin’ny fomba samihafa izany filàna sy fironana amin’ny fanaranam-po samihafa izany. Ny fiorenana tsara amin’ny finoana no fomba mahomby ampianarin’i Petera eto. Raha miresaka finoana isika dia Jesoa no ao ambadik’izany. Izay tonga ao amin’i Jesoa, an’i Kristy no hahafehy ny tenany, satria Jesoa irery no nahafehy tena tanteraka ka tsy resin’i satana tamin’ny fakam-panahy maro.
Ampiditra Hafatra