Mofon’aina 01 Oktobra 2021
Jaona 6. 52-58
JESOA MANOME FIAINANA MANDRAKIZAY
Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika? 53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. 54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. 55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro. 56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy. 57 Ary tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko. 58 Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
—————-
Ny hevi-dehibe ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona dia tsotra : ny finoana an’i Jesoa (fandraisana an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy) no miantoka ny fiainana mandrakizay. Noho ny fitiavan’Andriamanitra dia nirahiny hitondra an’io fiainana io teto amin’izao tontolo izao Jesoa. Niezaka nanazava ny fomba ahafahan’ny Jiosy mahazo io fiainana mandrakizay io Jesoa ka izany no nampifanditra ny Jiosy sy nitenenany hoe : « Hataon’Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika? » and 52. Jesoa manome fiainana mandrakizay ka
1. Manome ny nofony ho fihinana
« Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona… dia tsy manana fiainana ao aminareo… Izay mihinana ny nofoko… no manana fiainana mandrakizay »
Fepetra hahazoana ny fiainana mandrakizay mihitsy ny hoe mihinana ny nofon’ny Zanak’olona. Jesoa tenany no ambarany raha milaza zanak’olona Izy. Ny tenan’i Jesoa dia ho enti-milaza ny mana nomen’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely raha nandeha ho any amin’ny tany Kanana izy ireo. Ny tenan’i Jesoa izay ho enti-maneho ny tenin’Andriamanitra, mana isan’andro omen’Andriamanitra. Jesoa tokoa mantsy no ilay teny tonga nofo ka niara-nonina tamin’ireo Jiosy fahizay (Jao 1. 14).
Sabatra isika Kristianina fa na dia tsy miara-belona amintsika ara-nofo aza Jesoa dia momba antsika mandrakariva araka ny teniny fa ny teniny kosa izay aseho amin’ny alalan’ny Sakramenta Masina, ny fanasan’ny Tompo dia raisintsika isan’andro.
2. Manome ny rany ho fisotro
« Raha tsy… misotro misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo… Izay… misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay… Fa… ny rako no tena fisotro »
Teo amin’ny Jiosy, raha te ahazo famelan-keloka dia tsy maintsy misy rà alatsaka. Tsy maintsy misy fahafatesana ho tambinin’ny fahotana. Namono biby tsy misy kilema ny Jiosy ho fangataham-pamelan-keloka tamin’Andriamanitra. Tonga fombafomba aza sisa no nanaovan’ny Jiosy izany teo amin’ny fiarahamonina. Tsy dia ilay antony ara-pivavahana intsony no nanaovana izany teo amin’ny Jiosy sasatsasany fa tena lasa fombafomba sisa. Izany dia vokatry ny fivavahana haingitraingitra sisa teo amin’ny Jiosy. Ny tombony amin’ny nandatsahan’i Jesoa ny ràny dia izao :
– Indray mandeha tsy miverina dia ampy hampitony ny fahatezeran’Andriamanitra
– Ilay rà nalatsany dia hisolo heloka ny olona rehetra amin’ny fotoana rehetra
Noho ny amin’i Jesoa dia tsy mila sorona intsony Andriamanitra, izay manaiky an’i Jesoa dia efa nisolo heloka azy Jesoa ka tonga mahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra izy. Faty antoka sy fotoana very maina arak’izany ny sorona mbola ataon’ny olona mandraka androany, ny an’i Jesoa ihany no eken’Andriamanitra ho enti-mamela heloka ny olona rehetra na iza izy na iza.
Sambatra isika Kristianina fa ampy hangatahana famelan-keloka amin’Andriamanitra ny rà nalatsak’i Jesoa ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana. Koa raha miresaka Fanasan’ny Tompo isika, ny fisotroana ny ràn’i Kristy dia marika fa voavelan’Andriamanitra heloka isika noho ny amin’i Jesoa nisolo voina antsika.
Ampiditra Hafatra