Mana voalahatra 22 Febroary 2021 Ny teo aloha Mana voalahatra 23... Ny tao aoriana Mana voalahatra 21...

Mana voalahatra 22 Febroary 2021

DEOTERONOMIA 28.15–44

OZONA

15 Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa hianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:16 Hozonina hianao ao an-tanàna, ary hozonina hianao any an-tsaha.17 Hozonina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.18 Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao.19 Hozonina hianao, raha miditra; ary hozonina hianao, raha mivoaka.20 Hampandehanin’ i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’ izay rehetra ataon’ ny tànanao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian’ ny nataonao tamin’ ny nahafoizanao Ahy.21 Hampiraiketin’ i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.22 Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main’ ny rivotra na maty fotsy no hamelezan’ i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.23 Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin’ ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.24 Hataon’ i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin’ ny taninao; avy any an-danitra no hidinan’ izany aminao mandra-paharinganao.25 Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao hianao, ka làlana iray no hivoahanao hiady aminy, fa làlana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany hianao.26 Ary ny fatinao hohanin’ ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.27 Hamelin’ i Jehovah anao ny vain’ i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody);28 ary hamelin’ i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra.29 Dia hitsapatsapa hianao na dia amin’ ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan’ ny jamba ao amin’ ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin’ izay halehanao; dia hampahorin’ ny sasany sy hobaboiny mandrakariva hianao, fa tsy hisy hamonjy.30 Hifofo vady hianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano hianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanimboaloboka hianao, fa tsy hihinana ny vokatra.31 Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany hianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman’ osinao homena ho an’ ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy hianao.32 Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an’ ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tànanao.33 Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin’ ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan’ ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva hianao.34 Dia ho very saina hianao noho ny zavatra izay ho hitan’ ny masonao.35 Hamelin’ i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin’ ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin’ ny faladianao ka hatramin’ ny tampon-dohanao.36 Ho entin’ i Jehovah ho any amin’ ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao hianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.37 Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny hianao any amin’ ny firenena rehetra izay hitondran’ i Jehovah anao.38 Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin’ ny valala ireny.39 Hanao tanimboaloboka hianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka hianao, satria ho lanin’ ny fositra ireny.40 Hanana hazo oliva amin’ ny taninao rehetra hianao, nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana ny olivanao.41 Hiteraka zazalahy sy zazavavy hianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.42 Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin’ ny valala.43 Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho hianao, fa hianao kosa hietry ho ambany dia ambany.44 Izy hampisambotra anao, fa hianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa hianao ho rambony.

Zava-doza

Voatanisa amin’ny antsipiriany ihany koa eto ireo loza samihafa hitranga amin’ny fiainan’ny olona raha minia tsy mitandrina na tsy mihaino ny feon’Andriamanitra izy. Raha lazaina amin’ny teny tokana izany dia ozona. Efa olona tena miziriziry tsy hihaino an’Andriamanitra sy hanaraka ny fandaminany mihitsy matoa tonga amin’izany dingan’ny ozona izany. Tsy izany mihitsy anefa no sitrak’Andriamanitra fa tena mampijaly ny fo sy ny sainy aza ny mieritreritra izany.

Fahafahana

Efa nomen’Andriamanitra safidy malalaka hatrany am-boalohany ny olombelona amin’izay ataony rehetra. Ny fanaon’Andriamanitra dia ny mampahafantatra izay vokatr’izany fanapahan-kevitra raisin’ny olona izany. Eto dia ambarany mazava hoe: “Raha tsy mihaino ny feon’Andrfriamanitra kosa ianao…”(15) dia izany no hiteraka ireo loza mahatsiravina samihafa voatanisa eto ireo.

Tsy fanirian’Andriamanitra

Tahaka ny ray aman-dreny rehetra miteraka dia tsy faniriany mihitsy ny hahafaty ny zanany. Izany no fisehoan-javatra azo lazaina fa mafy indrindra eo amin’ny fiainan’ny olona. Tahaka izany mihitsy koa amin’Andriamanitra, eny, mety mihoatra lavitra noho izany aza satria hoy ny Soratra Masina:” Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy ?” (Ezekiela 18.23).

Fahamarinana

Efa nentin’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana ny fahotana rehetra izay mahameloka antsika olombelona. Izay rehetra mahafoy ny fahotany dia nanolotra izany hohomboana miaraka amin’i Jesoa ka afaka amin’izany izy ary tsy eo ambany fahefan’ny ota intsony. “Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny tamin’ny hazo fijaliana” (Galatiana 5.24).

Efa nomenao an’i Jesoa ve ny fahotanao ho dioviny teo amin’ny hazo fijaliana?

Source: Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *