Mana isan’andro 27 Aogositra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 28 Oktobra... Ny tao aoriana Mana isan'andro 26 Oktobra...

Mana isan’andro 27 Aogositra 2021

EZEKIELA 29.1-21 F.1.6

NY FAMAIZAN’ANDRIAMANITRA

Ny hamaliana an’ i Farao sy ny vahoakany ary ny taniny

1 Tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:2 Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin’ i Egypta rehetra.3 Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’ i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an’ ny tenako.4 Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin’ ny kiranao ny hazandrano ao amin’ ny Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan’ ny Neilinao hianao, ary ny hazandrano rehetra amin’ ny Neilinao dia hiraikitra amin’ ny kiranao.5 Ary hariako any an-efitra hianao, dia hianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety hianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin’ ny bibi-dia sy ny voro-manidina hianao.6 dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an’ ny taranak’ Isiraely izy.7 (Nony mandray anao amin’ ny tànany izy, dia folaka hianao, ka voatsindronao ny helik’ izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka hianao ka mampilefidefitra ny valahan’ izy rehetra.)8 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.9 Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,10 Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin’ ny sisin’ i Etiopia.11 Tsy hodiavin-tongotr’ olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.12 Ary hataoko tany rava dia rava ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin’ ny tany samy hafa.

Faminaniana ny amin’izay hanjo an’i Egypta ny bokin’ny Ezekiela 29 ka hatramin’ny 32.
Nampietry an’i Farao sy ny vahoakany (1-16)
Reharehan’i Egypta Neilly, renirano mamakivaky tany hay, antoky ny fahavokaran’ny tany sy fampiroboroboana ny toe-karena Egyptiana. Tsy mba nisaotra an’Andriamanitra ny amin’izany Farao fa nirehareha: “Ahy ny Neiliko, izaho no namorona azy ho ahy” (3). Io indrindra anefa no noravan’Andrimanitra hampietry azy (4-12). Indraindray misy fireharehana toy izany ato anatintsika manoloana ny fahombiazantsika: “Tranoko io, izaho no nanamboatra an’io” sns…. Tandremo, “izay manandratena no haetry” (Matio 23.12). Atolory an’Andriamanitra tompon’ny zavatra rehetra ny voninahitra.
Nihatra tamin’ny tany anaty fotoana voafetra (10-16). Voaozona ny tany noho ny fahotan’ny olona mipetraka eo aminy ka tonga tany simba sy rava* (10-13, Genesisy 3.17b-18). Aorian’ny efapolo taona, fe-potoan’ny tarika indray mihira iray, no hatsangana indray ny firenena mba ho olona vaovao indray no hanangana izany. Tany tahaka ny ahoana ary taranaka vaovao toy inona no tiantsika hisy eto Madagasikara?
Valim-pitia ho an’ny mpankatoa (17-21)
Famaizan’Andriamanitra an’i Tyro no namelany an’i Nebokadnezara, mpanjakan’ny Babylona (20) nandrava azy. Nomeny azy Egypta ho valin’izany fanompoana izany. Indraindray tsy takatry ny saintsika izay asain’Andriamanitra ataontsika, ny anjarantsika dia ny mankatoa izay lazainy.
Fahamarinana: “Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo” (Galatiana 6.😎)

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *