Mana isan’andro 25 Septambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 26... Ny tao aoriana Mana isan'andro 24...

Mana isan’andro 25 Septambra 2021

EZEKIELA 22.1-16 F.5, 6

TENA AN’ANDRIAMANITRA

Ny fahotan’ i Jerosalema sy ny Isiraely

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:2 Ry zanak’ olona, moa tsy hitsara va hianao? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va hianao? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,3 ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.4 Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao hianao ka efa tonga amin’ ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan’ ny jentilisa sy ho fanakoran’ ny tany rehetra,5 ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.6 Indreo ny lehiben’ ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny avy mba handatsa-drà.7 Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin’ ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.8 Hamavoinao ny zavatra masina, ary lotoinao ny Sabatako.9 Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.10 Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin’ ny fadimbolana.11 Misy manao fahavetavetana amin’ ny vadin’ ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.12 Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony hianao sady manao an-keriny mandroba ny an’ ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.13 Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin’ ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao.14 Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tànanao, amin’ ny andro izay hisehoako aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.15 Ary haeliko ho any amin’ ny jentilisa sy hahahako ho any amin’ ny tany samy hafa hianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.16 Ary dia ho hitan’ ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.

“Tanàna mpandatsa-dra” (1-12).
Ireo mponina ao Jerosalema, hoy ny Tompo, dia manozona ray aman-dreny, tsy tsara toetra amin’ny vahiny, mampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, manamavo ny zavatra masina, mandoto ny Sabatan’i Jehovah, mandehandeha manaratsy, mijangajanga, mandray kolikoly handatsa-dra, maka zana-bola sy tombony sady manao an-keriny mandroba ny an’ny namany ka manadino an’i Jehovah. Aiza ho aiza amin’izany ny tenako? Inona no ataoko hahatonga ahy ho fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao amin’ny fiaraha-monina nametrahany ahy? Aza faly mitsikera sy manakiana lava ny hafa fa mijoroa araka ny sitrapon’Andriamanitra.
“Koa indro, manjera tànana Aho…” (13-16).
Noho ireo ratsy nataon’ny mponina ao Jerosalema dia hihatra amin’izy ireo ny fahatezeran’Andriamanitra. Hanafay azy Andriamanitra amin’ny fampielezana azy any amin’ny jentilisa sy any amin’ny tany samihafa . Ny tanjon’Andriamanitra amin’izany dia ny hampahafantatra azy ireo fa Izy no hany Andriamanitra manana ny fahefana rehetra amin’ny fiainan’ny olona.(15-16).
Izay afafin’ny olona no hojinjainy (Galatiana 6.7).
Fahamarinana tsy azo ihodivirana izany na tsara ataon’ny olona na ratsy. Kanefa tadidio fa tsy sitrak’Andriamanitra na oviana na oviana ny hahavery ny olona: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3.9).
Hosaintsainina: Inona no hafatra raisinao avy amin’izao Soratra Masina izao? Inona no tsapanao toa tànan’ny Tompo mavesatra ankehitriny? Miverena amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy fa Izy ihany no Mpamonjy sy Tompo.

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *