Mana isan’andro 24 Aogositra 2021
EZEKIELA 21.23-37
JEROSALEMA SY AMONA
23 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:24 Hianao, ry zanak’ olona, manaova lalana roa ho anao hihavian’ ny sabatry ny mpanjakan’ i Babylona; avy amin’ ny tany iray no hihavian’ izy roa; ka manaova sarin’ ny famantaran-dalana, eo an-tsampanan-dalana mankany amin’ ny tanàna no anaovinao azy.25 Manaova lalana hihavian’ ny sabatra ho any Raban’ ny taranak’ i Amona sy ho any ny Joda ao Jerosalema mimanda.26 Fa ny mpanjakan’ i Babylona mijanona eo amin’ ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan’ ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin’ ny sampy sy mizaha amin’ ny atin-kena.27 Mby eo an-tànany ankavanana ny sikidy, dia ny ho an’ i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin’ ny akoran’ ady, hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin’ ny vavahady, hanandratra tovon-tany sy tilikambo.28 Nefa tahaka ny sikidy lainga izany eo imason’ ireny izay efa nianiana mafy, nefa Jehovah no mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy.29 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin’ ny nampiharihariana ny fahadisoanareo mba hampisehoana ny fahotanareo tamin’ izay rehetra nataonareo, noho ny nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana hianareo.30 Ary hianao, ry ilay ratsy fanahy voatrabaka, dia ilay mpanjakan’ ny Isiraely, izay tapitra andro amin’ ny fotoan’ ny heloka mahafaty,31 izao no lazain’ i Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halàna ny satro-boninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.32 Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan’ izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.33 Ary hianao, ry zanak’ olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny amin’ ny taranak’ i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy34 (Raha mahita zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany anao ao amin’ ny vozon’ ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin’ ny fotoan’ ny heloka mahafaty.35 Ampidiro amin’ ny tranony izy. Any amin’ ny tany namoronana anao, dia any amin’ ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.36 Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny afon’ ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tànan’ ny olona ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana hianao,37 Dia ho kitain’ ny afo hianao; Ho eny amin’ ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana hianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.
Toa mitovy? (18-23)
Asehon’ny mpaminany eto ny fanatanterahan’i Nebokadnezara ny baikon’ny Tompo izay nomena ilay sabatra mpamaly faty. Rehefa nahare ny famantarana izy dia niainga niala tany Babylona. Rehefa tonga teo amin’ny sampanan-dalana izy dia nanoko sikidy aloha. Andriamanitra mihitsy anefa no nanoro azy ny tokony hataony. Ny eo ankavanana dia mitondra mankany Jerosalema ary ny eo amin’ny ankavia kosa dia mankany Amona. Samy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra izany ireto firenena roa ireto. Fa iza amin’izy roa ireto no hanombohana ny fitsarana?
– Valiny: Jerosalema no hotafihana voalohany izay vao Amona.
Jerosalema (24-27)
Faharavana, faharavana, faharavana! Izany no hahazo an’i Jerosalema. Ary izany dia manomboka amin’ny mpanjaka Zedekia. Noho izy nampiharihary ny fahadisoany ary noho ny heloka tena mahafaty nataony dia ho vita ny aminy. Ho rava miaraka aminy ny tanàna ary ho lasa babo any Babylona ny vahoaka. Fa mbola misy tohiny…
Amona (28-32)
Sabatra, sabatra, sabatra voaranitra kosa no anjaran’i Amona. Ankoatran’ny heloka mahafaty izay nataony ihany koa dia mahatonga fahatezeran’Andriamanitra eo aminy ny latsa ataony amin’i Jerosalema raha nasiana voalohany izy ity. Raha hiharan’ny fitsarana i Amona dia tsy hotsarovana intsony! Vita ny aminy!
Fahasamihafana
Ny fahamarinan’Andriamanitra dia mampitovy ny fitsarana mahazo ny mpanota rehetra: fahafatesana. Saingy manomboka ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra hatrany izany (1 Petera 4.17, Ezekiela 9.6). Na voa aza ny vahoakan’Andriamanitra dia mbola harenina. Satria misy Ilay ho avy, Ilay Tena Tompony tokoa (32), io no hipetraka ho Mpanjakany mandrakizay.
Fahamarinana : Efa hatrany no nasaina nibanjina an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ny vahoakan’Andriamanitra! Ary ianao?
Ampiditra Hafatra