Mana isan’andro 20 Septambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 21... Ny tao aoriana Mana isan'andro 19...

Mana isan’andro 20 Septambra 2021

MATIO 25.14-30 F.2,6

ANDRIAMANITRA MATOKY SY MAHATOKY

Ny fanoharana ny amin’ ny talenta

14 Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:15 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.16 Ary niaraka tamin’ izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy.17 Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.18 Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan’ ny tompony.19 Ary nony ela, dia tonga ny tompon’ ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin’ ny volany.20 Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.21 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.22 Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.23 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary hianao, mijinja eny amin’ izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafanao;25 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin’ ny tany; indry, lasanao ny anao.26 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’ izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafako;27 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin’ ny mpanana vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.28 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.29 Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.30 Ary ario ho any amin’ ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Andriamanitra matoky sy mahalala.
Ity fanoharana momba ny fanjakan’Andriamanitra ity dia maneho fa tahaka ilay olona handeha an-tany lavitra dia tena mahalala sady matoky ny mpanompony Andriamanitra. Ny fananany mantsy no natolony azy (15) sy nankininy taminy. Ankoatr’izay dia araky ny fahaizany avy no nanomezana ny talenta (15) : hay tsy midika hoe tsy rariny foana ny tsy fitoviana. Samy manana ny ankinin’Andiamanitra aminy ny tsirairay ka tsy tokony hifampitaha. Masi-mandidy amin’ny fizarany ny fananany koa Andriamanitra.
Mpanompo vonona amin’ny asa tsara. Marihina fa ny talenta iray dia tsy vola kely akory fa mitentina eo amin’ny karama 20 taona eo ho eo ho an’ny mpikarama iray. Samy nahazo betsaka izany ireto mpanompo ireto na dia tsy mitovy aza.Toa efa nahalala ny atao avy hatrany (16) koa ireo nandray talenta dimy sy roa. Efa niomana mialoha ny handray ireo talenta ka tsy variana noho ny habetsahany fa niroso avy hatrany amin’izay tokony atao.
Andriamanitra marina sy mahatoky.
Nony ela, niverina nanontany ny nampiasana ny volany (19) ilay Tompo. Samy nampiseho ny vokatra azony arak’izay nomena azy ireto nahazo talenta dimy sy roa. Valisoa mitovy tanteraka no azony dia ny fidirana amin’ny fifalian’ny tompony. Ilay mpanompo fahatelo izay nomena talenta iray kosa dia azo lazaina fa ny fijeriny ny tompony (24) no nibaiko ny tsy fihetsehany. Tsy nino izy hoe tsara fo taminy ny tompony fa mila voa tsy ary no fijeriny azy. Fandroahana no azony. Mahatoky Andriamanitra ka mamaly soa izay matoky sy mino Azy.

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *