Mana isan’andro 17 Septambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 18... Ny tao aoriana Mana isan'andro 16...

Mana isan’andro 17 Septambra 2021

Matio 24.32-42 F.2,6,7

NY TENA FIHAVIAN’NY TOMPO

32 Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.33 Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.34 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.35 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.36 Fa ny amin’ izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.37 Fa tahaka ny andron’ i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ ny Zanak’ olona.38 Fa tahaka ny tamin’ ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara,39 ary tsy fantany mandra-pihavin’ ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona.40 Ary amin’ izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.41 Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.42 Koa amin’ izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny Tomponareo.
Tampoka, tsy misy mahalala ny andro sy ny ora (32-36).
Ny fotoana haharavan’ny tempolin’i Jerosalema no voalaza mazava tsara hoe eo amin’ny 40 taona eo ho eo (34) raha ny resak’i Jesoa tamin’ny mpianany teto. Ny taona 70 dia efa tena tanteraka izany hoe ho rava ny Tempoly. Ary izay rehetra voalazany eto koa dia tsy maintsy ho tanteraka (35). Azo antoka koa fa tena hiverina i Jesoa Kristy saingy ny fotoana mazava tsara dia miankina amin’Andriamanitra Ray na rahoviana izany na rahoviana (36). Ho an’ny olona tsy mino dia ho tampoka izany, fa ho an’izay mino an’i Jesoa kosa dia efa miomana hatrany izy ny amin’izay fotoana hihaviany!
Toy ny tamin’ny andron’i Noa (38).
Nilamina sy niadana ary niaina tsara toy ny mahazatra ny olona dia tonga ny fotoana nilazan’Andriamanitra tamin’i Noa hoe midira ao amin’ny sambofiara amin’izay ianao sy ny fianakavianao ary ny biby izay efa nasaina nofantenana (Genesisy 7.1-16). Ny olona tsy voafidy ho tafiditra no tsy nanam-po ny fotoana fa i Noa sy ny fianakaviany kosa dia efa nahafantatra fa tsy maintsy ho avy izany!
Mbola tsy misy fanavahana (39).
Alohan’ny hahatongavan’i Jesoa Kristy dia mbola miaraka eo daholo ny mpino sy ny tsy mpino. Saingy ny nandraisany ny famonjena no hanavaka azy ho voaray na tsy ho voaray ho ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy fa tsy miankina amin’ny fananany na ny asa ataony.
Diniho: I Jesoa Kristy dia ho avy amin’ny fotoana tsy ampoizina fa mila miomana sy vonona mandrakariva! Koa raha ho avy i Jesoa, moa hahita finoana ao aminao va Izy?

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *