Mana isan’andro 17 Aogositra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 18... Ny tao aoriana Mana isan'andro 16...

Mana isan’andro 17 Aogositra 2021

EZEKIELA 18. 1-18 F.2, 6

HO VELONA SA HO FATY ?

Ny famalian’ Andriamanitra ny olona araka ny asany avy.

1 ARY tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:2 Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely hianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo?3 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany ao amin’ ny Isiraely intsony.4 Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin’ ny ray, dia toy izany koa ny fanahin’ ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.5 Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,6 fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ ny fadimbolana,7 na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatòka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an’ ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,8 tsy mampanàna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana marina amin’ ny miady,9 ary mandeha araka ny lalàko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina,- dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy Jehovah Tompo.10 Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin’ ireo zavatra ireo aza iny11 (nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin’ ny namany,12 na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampy ka manao izay fahavetavetana,13 na mampanana vola, na maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny ràny dia ho aminy ihany.14 Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,15 ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany,16 na mampahory olona, na maka tsatòka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an’ ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,17 miaro ny tànany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy.18 Ny amin’ ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin’ ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.

Safidy sy ny vokany

Nomen’Andriamanitra antsika Olombelona ny lalàna mba hifampifehezana, nefa indrindra koa hitsarana antsika. Karazana tranga mety ho hita amin’olombelona sy ny taranany no velabelarina eto :
– (5-9) : Ny Olona marina sy mahitsy ka mahafehy ireo lalàna rehetra voatanisa dia ho velona tokoa ;
Raha ny marina dia tsy nisy nahatanteraka ireo Didin’Andriamanitra ireo isika, manondro ny Didy folo amin’ny ankapobeny izy ireo, marina izany, tsy marina isika fa nohamarinina tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ;
– (10-13) : Tranga faharoa, ny Rainy marina nefa ny Zanany tsy vanona, na tsy nahatanteraka ny iray amin’ireo lalàna dia hatao maty ilay Zanany. Eto dia sarihana ny saintsika mba hahay haka modely ireo Ray Aman-dReny mahitsy sy marina, ohatra velona nomen’ny Tompo antsika ireo ka tokony ho tahafina ;
– (14-18) : Tranga fahatelo, Ray Mpanota, fa ilay Zanaka kosa namehy ny tenany hanao ny marina, noho izany ny Rainy no ho faty, fa ilay Zanany kosa ho velona. Aoka ho taranaka modely isika.
Aiza amin’ireo ny mahakasika antsika sy ny Zanatsika? Ho faty sa ho velona mandrakizay ?

Tenin’Andriamanitra manitsy

Ny Fanahy izay manota no ho faty (4). Eto dia manitsy sy manaisotra izay fihevitra sy fanao diso izay nipetraka teo amin’ny Zanak’Israely ny Tenin’Andriamanitra (2 Timoty 3.16).

Tompon’ andraikitra

Fahafahana nomen’ Andriamanitra ny olombelona irery ihany ny fananana safidy. Mametraka ny olona tsirairay ho tompon’andraikitra feno 100% ny amin’ ny safidy ataony izany. Ny amin’izay nataonao no hijoroanao eo anoloan’ny Tompo fa tsy ny amin’ izay nataon’ny hafa taminao.

Application Mana isan’andro, azonao alaina ao @ Play Store

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *