Mana isan’andro 14 Septambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 15... Ny tao aoriana Mana isan'andro 13...

Mana isan’andro 14 Septambra 2021

Matio 24.1-14 F.5,6

NY FIANDOHAM-PAHORIANA

Ny nanambaran’ i Jesosy ny handravana an’ i Jerosalema sy ny hihaviany indray

1 Ary nony niala teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.2 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo ? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’ izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’ izao tontolo izao.4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.5 Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.6 Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ ny tany samy hafa.8 Fa izany rehetra izany no fiandohan’ ny fahoriana.9 Ary dia hatolony ho amin’ ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.10 Ary amin’ izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.12 Ary noho ny haben’ ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ ny maro.13 Fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.14 Ary hotorina amin’ izao tontolo izao ity filazantsaran’ ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.

Tempolin’i Jerosalema horavana.
Ny fotoana hiresahan’i Jesoa amin’ny mpianany eto dia tamin’ny mbola fahavelony.Ny fijerin’ny mpianatra tamin’izany dia toy ny fijery Jiosy hoe tempoly vita tsara be io ve dia ho rava rahoviana? (1) Ary koa raha io no rava dia miala eto amin’izao tontolo izao ny voninahitr’Andriamanitra ka hifarana izao tontolo izao. Izay no hifandraisan’ny resaka faharavan’ny tempoly sy ny fihavian’i Jesoa voalaza eto.
Tsy famantarana ny fahataperan’izao tontolo izao (4-8).
Ny famantarana hitantsika eto dia efa nisy hatramin’ny testamenta taloha: adin’ny samy firenena na fanjakana (Isaia 19.2), Kristy sandoka, areti-mandringana, horohoron-tany, mosary (Asan’ny Apostoly 11.28) sns ireo .Tsy manambara ny farany ireo fa efa nisy hatrizay, mba tsy ho voafitaka isika (4). Ny azo lazaina dia famantarana ny fiandohan’ny fahoriana manomboka ireo tamin’ny fotoana nandehanan’i Jesoa ka mandra-piveriny.
Mbola hisy aloha ny fiangonana (ireo olona hino an’i Jesoa Kristy (9-14).
Aorian’ny fisian’ny kristiana hiparitaka maneran-tany, ny filazantsara hotoriana manerana izao tontolo izao, izany hoe tsy hijanona eo amin’ny Jiosy ihany ny filazantsara (Matio 28.18-20) vao ho avy i Jesoa. Hihabetsaka ny kristiana, hohenjehin’ny firenena rehetra izy ireo (9) ary izay maharitra hatramin’ny farany no voavaka ho voavonjy amin’ireo tsy tena izy nefa noheverina ho izy (1 Jaona 2.19).
Saintsaino: Ny fitiavan’Andriamanitra no mitahiry sy mampaharitra antsika amin’ny finoana Azy fa tsy noho ny herintsika satria ny fiarahana Aminy dia tsy mora fa hisy fisedrana maro hatrehina foana na taloha na ankehitriny na amin’ny ho avy!

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *