Mana isan’andro 13 Aogositra 2021
SALAMO 148.1-14 F.3,6
ANTSOINA HO AMIN’NY FIDERANA NY REHETRA
Fiantsoana izao rehetra izao hidera an’ Andriamanitra
1 Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.2 Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.3 Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.4 Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary hianareo rano ambonin’ ny lanitra.5 Aoka hidera ny anaran’ i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.6 Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra. 7 Midera an’ i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy hianareo rano lalina rehetra,8 Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,9 Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,10 Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,11 Ny mpanjaka amin’ ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ ny tany,12 Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,13 Samia midera ny anaran’ i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin’ ny tany sy ny lanitra ny voninahiny. 14 Ary manandratra tandroka ho an’ ny olony Izy, Dia fiderana ho an’ ny olony masina rehetra, Eny, ho an’ ny Zanak’ Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
Fideran’ireo manan’aina any an-danitra (1-2) :
Fideran’ireo zava-boaary eny amin’ny lanitra (3-6).
Fideran’ireo zava-manan’aina eto an-tany (7-11).
Fiderana’ny zanak’olombelona (12-14).

Application Mana isan’andro, afaka alainao ao @ Play Store
Ampiditra Hafatra