Mana isan’andro 12 Aogositra 2021
OHABOLANA 29.16 – 27 F.1
TOERAN’NY RAY AMAN-DRENY
16 Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
17 Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian’ ny fanahinao.
18 Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
19 Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.
20 Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
21 Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.22 Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
23 Ny fiavonavonan’ ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
24 Izay miray tetika amin’ ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.25 Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an’ i Jehovah no hovonjena.
26 Maro no mila sitraka amin’ ny mpanapaka; Fa avy amin’ i Jehovah ny fitsarana ny olona.
27 Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ ny marina; Ary ny mahitsy làlana dia mba fahavetavetana eo imason’ ny ratsy fanahy kosa.
Faizo ny zanakao
Miatrika ny fiaraha-monina

Application Mana isan’andro, azonao alaina ao @ Play Store
Ampiditra Hafatra