Mana isan’andro 03 Novambra 2021
ASAN’NY APOSTOLY 15. 1-12 F. 2,6
FA FAHASOAVANA NO NAMONJENA AVY AMIN’NY FINOANA AN’I JESOA
1 [Ny nifandiran’ny sasany ny amin’ny famorana, sy ny nataon’ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin’izany] Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon’i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
2 Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin’ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran’izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ny Apostoly sy ny loholona* hanadina izany teny niadian-kevitra izany. [ Gr. presbytera]
3 Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an’i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan’ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
4 Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin’ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona*, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon’Andriamanitra tamin’ny nombany azy. [* Gr. presbytera]
5 Fa ny mino sasany, izay isan’ny antokon’ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn’i Mosesy.
6 Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona* mba hihevitra izany zavatra izany. [* Gr. presbytera]
7 Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin’ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin’ny vavako no handrenesan’ny jentilisa ny tenin’ny filazantsara ka hinoany.
8 Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
9 fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ny finoana ny fony.
10 Koa nahoana ianareo no maka fanahy an’Andriamanitra amin’ny fametrahanareo zioga amin’ny vozon’ny mpianatra, izay tsy zakan’ny razantsika na isika ho entina?
11 Fa mino isika fa ny fahasoavan’i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
12 Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an’i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’Andriamanitra azy tany amin’ny jentilisa.
Ampiditra Hafatra