Mana isan’andro 02 Novambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 03... Ny tao aoriana Mana isan'andro 01...

Mana isan’andro 02 Novambra 2021

ASAN’NY APOSTOLY 14. 19-28 F. 6,7

MAMPIORINA TSARA NY ASA MISIONA

19 Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.

20 Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.

21 Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin’izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,

22 nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

23 Ary rehefa nanendry* loholona** teo amin’ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ny Tompo Izay efa ninoany. [* Na: nampananga-tanana nifidy][** Gr. presbytera]

24 Ary rehefa nandeha namaky an’i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.

25 Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.

26 Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ho amin’ny asa izay novitainy.

27 Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an’ny jentilisa.

28 Dia nitoetra elaela ihany tamin’ny mpianatra izy.

Fiaretana ireo fanenjehana mafy (19-20).
Mora miova ny olona rehefa tsy izay tiany hatao no mitranga (12-14). Ny fahadisoam-panantenan’ireo mpanohitra no niteraka fanenjehana mafy toy izao (2 Tim.3.10). Miaro ny olom-boafidiny anefa ny Tompo. Ny herin’ny faherezany no hitafiana manoloana izany amin’ízao vanim-potoana farany izao (Efesiana 6.10).
Fanatanterahana ny fitoriana sy fanaovana mpianatra (20-21a; 24-26).
Nitarika ny fisokafana ho any Derba ny fanenjehana tao Lystra. Hafa ny lamina ataon’ny Tompo. Mampiorina ny asa ny fitoriana sy ny fanaovana mpianatra. Ireo izay nandray no hanangana olona hanohy ny asan’ny Tompo (2 Timoty 2.2 ; Matio 28.20). Fo antra fanahy very no tokony hery hanosika antsika ka tena tsy ho sasatra hitory ny famonjen’í Jesoa Kristy isika.
Fanaovana fanohizana na fanaraha-maso (21b-22).
Ny fiverenana tany Lystra, Ikonioma ary Pisidia dia nanampy azy ireo hijery akaiky ny fandrosoan’ny finoan’ny olona sy nahafahan’íreto apostoly nitondra fampaherezana. Ny fanaraha-maso toy izao dia manampy amin’ny fampiorenana ny finoana sy fanitsiana izay diso ary ho fanomezam-boninahitra ny Tompon’ny asa.
Fametrahana lamim-pitantanana mazava (23).
Ny fanendrena ny loholona hitarika ny asa no niantoka ny fitohizan’ny asa. Fahendrena arak’ízany ny mitily, manofana izay ho tompon’andraikitra mba hampitoetra tsara ny asa. Inona no nampahomby izao fanendrena izao? (23b).
Fanaovana tatitry ny asa vita (27-28).
Fifaliana ho an’ny mpanefa iraka hatrany ny fizarana ny akon’ny fanirahana. Niainga tao Antiokia ary niverina tao ihany mba hanao tatitry ny dia. Mampandroso ny fiangonana ny fahitana ny fitantanan’Andriamanitra.
Saintsaino: Mampifaly ny Tompo ihany koa ny fanomezana Azy ny haja, fankasitrahana, dera ary ny voninahitra.

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *