Mofonaina Sabotsy 18 Martsa 2023
Eksodosy 21. 12-37
MAMERINA AMIN’NY FAHAMARINANA NY TOMPO: MANOME FITSIPIKA HAMPIRINDRA SY HAMPILAMINA NY FIARAHAMONINA
Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa; 13 fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho. 14 Ary raha misy olona avy sahisahy amin’ny namany hamono azy amin’ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin’ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty. 15 Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa. 16 Ary izay mangalatra olona, na efa namidiny, na mbola hita eo an-tànany ihany ilay nangalariny, dia hatao maty tokoa. 17 Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa. 18 Ary raha misy olona mifanditra, ka ny anankiray mamely ny namany amin’ny vato, na amin’ny totohondry, koa tsy maty izy, fa marary ambany tsihy, 19 raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr’andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany. 20 Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin’ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy. 21 Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy. 22 Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan-anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan’ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian’ny mpitsara izy. 23 Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon’ny aina hianao, 24 maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tànana solon’ny tànana, tongotra solon’ny tongotra, 25 may solon’ny may, ratra solon’ny ratra, mivatra solon’ny mivatra. 26 Ary raha misy olona mamely ny mason’ny andevolahiny na ny mason’ny andevovaviny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony. 27 Ary raha ny nifin’ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny. 28 Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon’ilay omby dia ho afa-tsiny. 29 Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina. 30 Raha sazina izy, dia handoa vidin’aina araka izay sazy atao aminy. 31 Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby, dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana azy. 32 Raha manoto andevolahy na andevovavy izy, dia homena sekely volafotsy telo-polo ny tompon’andevo, ary ny omby hotoraham-bato. 33 Ary raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby na boriky latsaka ao, 34 dia hanonitra azy ny tompon-davaka, ka vola no haloany ho an’ny tompony; ary ny maty dia ho azy. 35 Ary raha misy ombin’olona mandrata ny ombin’ny namany ka mahafaty azy, dia hamidiny ny omby velona, ka hozarainy ny vola vidiny; ary ny maty koa hozarainy. 36 Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy. 37 Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon’ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon’ny ondry na osy iray.
—————
Raha niala avy tany Egypta ny zanak’Isiraely dia mbola tsy firenena izy. Vahoaka mpifindra monina ho tonga firenena izy. Iray amin’izay maha-firenena ny firenena ny fitsipika hifampifehezana ao amin’izany firenena izany. Ireo didy sy fistipika samihafa nomen’i Mosesy ny vahoaka Isiraely dia mikendry indrindra indrindra ny haha-firenena azy izay. Ny didy sy fitsipika nomena ny Zanak’Isiraely dia
1. Mandrindra sy mandamina ny fiaraha-monina
Mikendry ny hampirindra sy hampilamina ny fiarahamonina any amin’ny tany izay nomen’Andriamanitra ny vahoaka Isiraely ireo fitsipika samihafa nomen’i Mosesy. Raha mbola tany Egypta mantsy izy ireo dia ny lalàn’ny firenena Egyptianina no nifehy azy ireo. Rehefa afaka kosa izy ireo, mba hampirindra tsara ny fiaraha-miaina dia tsy maintsy nomena fitsipika. Izany hatrany no tanjon’ny fitsipika: filaminana sy firindràn’ny fiainana. Tsy mavesatra ny didy sy fitsipika raha ho amin’izany tanjona izany hatrany no handraisana azy. Raha milaza isika fa mavesatra ny fitsipika ifampifehezana dia mavesatra ho an’izay tsy vonona hanaja ihany izany, mavesatra ho an’izay tsy manana tanjona mazava: filaminana. Amin’izao fotoan’ny Karemy izao, andeha mba samy hahatsiaro isika fa nomena fitsipika ifampifehezana, na ao an-tokantrano, na eo amin’ny fiarahamonina, na any am-piasana, na any am-pianarana, indrindra indrindra ao amin’ny fiangonana. Ireny fitsipika ireny dia voasaina tsara tokoa mba ho enti-mandamina ny fiaraha-mianantsika eto amin’izao tontolo izao.
2. Mampianatra antsika ho tomponandraikitra (and 29)
“Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina”
Eto amin’ity andininy ity dia mazava tsara koa ny asan’ny fitsipika eo anivon’ny fiaraha-miaina: mampianatra antsika rehetra ho tomponandraikitra. Resaka omby manoto no resahina eto, omby efa nanoto olona kanefa mbola miverina manoto indray. Noho io omby manoto matetika io kanefa tsy nandraisan’ny tompony fepetra, dia tomponandraikitra amin’io omby io ilay tompony. Ambara mihitsy eto fa hovonoina ilay tompony noho izay nataon’ilay omby. Mampahatsiaro antsika ny fitsipika fa tomponandraikitra isika mba hampirindra sy hampilamina mandrakariva ny fiarahamonina. Manana izay anjara tandrify antsika isika ka tsy maintsy handray izany andraikitra izany. tsy mirindra ho azy amin’izao arak’izany ny fiarahamonina fa ny fanatanterahana izay anjara manandrify antsika no anton’izany koa. Tiava mandray andraikitra, meteza ho tena tomponandraikitra fa mampahatsiaro izany mandrakariva ny fitsipika ifampifehezana.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina (Facebook)