Mofonaina Alakamisy 23 Martsa 2023
2 Mpanjaka 24. 1-6
NOHO NY RÀ MARINA IZAY NALATSAKA
Tamin’ny andro nanjakan’i Joiakima no niakaran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy. 2 Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan’ny Kaldeana sy ny miaramilan’ny Syriana sy ny miaramilan’i Moaba ary ny miaramilan’ny taranak’i Amona hiady aminy : dia nampandehaniny hiady amin’ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony. 3 Dia araka ny tenin’i Jehovah ihany no nahatongavan’izany tamin’ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’i Manase tahaka izay rehetra nataony 4 sy noho ny ra marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny ra marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’i Jehovah hamela ny helony. 5 Ary ny tantaran’i Joiakima sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany ? 6 Ary Joiakima lasa nodi-mandry any amin’ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
—————
Tamin’ny taona 605 BC dia resin’ny Babylonianina ny fanjakana Egyptianina. Nanomboka teo dia teo ambany fifehezan’ny Babylonianina Joda (fanjakana Atsimo). Ren’i Nebokadnezara anefa tamin’izany fa maty rainy ka tsy niditra nanafay an’i Jerosalema izy fa lasa nody tany Babylona sao mifindra amin’ny taranaka hafa ny fahefana. Teo anatrehan’izany dia niezaka nikomy tamin’ny Babylonianina Joiakima mpanjakan’ny Joda. Joiakima moa izay mpanjaka nanompo sampy ary ny tena loza aza dia novonoiny Oria araka izay nitantaran’i Jeremia mpaminany azy: “Ary Oria dia nalain’ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin’i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin’ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin’ny fasam-bahoaka.” Jer 26. 23. Noho io rà marina nalatsaky ny mpanjaka Joiakima io dia
1. Tezitra Andriamanitra (and 2)
“Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan’ny Kaldeana sy ny miaramilan’ny Syriana sy ny miaramilan’i Moaba ary ny miaramilan’ny taranak’i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin’ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’i Jehovah”
Ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny mpitondra tao amin’ny fanjakana Atsimo no nanolorany azy tamin’ny fahavalony. Aseho eto amin’izao tantara izao fa Andriamanitra mihitsy no maniraka ireo fahavalo hiady amin’ny Joda. Asehon’ny mpanoratra amintsika fa efa nialan’Andriamanitra ny Joda ka indro atolony eo an-tanan’ny fahavalony. Manomboka teto ny faharesen’i Joda sy ny fandefasana ireo babo andiany voalohany tany Babylona. Avelan’Andriamanitra hanjakan’ny fahavalony ny vahoakany rehefa mahatezitra Azy. Avelany ho lasa babo noho izy ireo nanao izay tsy fanao teo amin’ny tany nomeny azy.
Fampitandremana antsika izay mamaky ankehitriny izao mofonaina izao, fampitandremana fa loza no ateraky ny fahatezeran’Andriamanitra. Tsy ilay Andriamanitra miady ho antsika intsony no hitantsika eto fa tena Andriamanitra mamela antsika ho rembin’ny fahavalontsika.
2. Tsy mamela heloka Andriamanitra (and 4)
“Noho ny ra marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny ra marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’i Jehovah hamela ny helony”
Tsy vitan’ny hoe avelan’Andriamanitra ho rembin’ny fahavalo ny Joda eto fa tena ambara mazava mihitsy hoe tsy navela heloka mihitsy. Midika ho fahatapaham-pifandraisana tanteraka eo amin’Andriamanitra sy ny vahoakany izany. somary mafy ihany no mamaky izao mofonaina izao satria raha ny marina, araka izay hahafantarantsika Azy dia mpamela heloka ny Tompo, tsy izany anefa no anehoana Azy eto. Tsy noho ny Aminy koa anefa no mahatonga izany fa noho ilay asa ratsy nataon’ny olony, namono tamin’ny tsy rariny ny mpanompony.
Fotoan’ny karemy izao, handeha hatao ny ezaka rehetra mba tsy hanaotao foana isika ka hanapaka ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra izany. Handeha mba hanao ny ezaka rehetra ka hisitraka mandrakariva ny famelan-keloka omen’Andriamanitra antsika.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina (Facebook)