Mofon’aina 30 Jolay 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 31 Jolay 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 29 Jolay 2021

Mofon’aina 30 Jolay 2021

Matio 4. 18-22

NY HERY SY FAHEFAN’NY FIANTSOAN’I JESOA

Ary nony nitsangantsangana teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Jesoa, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ny ranomasina; fa mpanarato izy. 19. Dia hoy Jesoa taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. 20. Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy. 21. Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy. 22. Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy.
Fiantsoana an’i Petera sy ny namany izao mofonaina izao. Fiantsoana izay hitantsika fa feno hery sy fahefana, ka rehefa voaantso ry Petera dia avy hatrany dia nanaraka an’i Jesoa. Jesoa rehefa miantso dia

1. Olona maro no antsoina

«nahita olona mirahalahy avy… Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa… ary niantso azy mirahalahy Izy»
Mpirahalahy no nantsoin’i Jesoa hanaraka Azy eto amin’izao mofonaina izao. Midika izany fa tsy olona iray no nantsoin’i Jesoa. Miantefa amin’ny olona maro ny antso.
Raha ny marina dia miantefa amintsika rehetra ny antson’Andriamanitra. Tsy mifidy tavan’olona Andriamanitra fa antsoiny avokoa izay tiany hanaraka an’i Jesoa zanany. Mba renao ve izany antson’Andriamanitra miantefa aminao izany?

2. Izay voaantso dia manaraka an’i Jesoa

«Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy… Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy»
Ny hoe nanaraka an’i Jesoa dia ireto roa ireto no heviny:
– Manana hery sy fahefana Jesoa ka izay voaantso dia avy hatrany dia manaraka. Tsy misy na iza na iza mahatsiaro voaantso ka tsy babon’ny antson’i Jesoa.
– Mahafoy ny zavatra rehetra izay voaantso ka manaraka an’i Jesoa.
Fiantsoana hanaraka an’i Jesoa no iantsoan’Andriamanitra antsika. Koa raha renao izany antso izany, vonona ve ianao hahafoy ny zavatra rehetra?