Mofonaina 30 Desambra 2020
Isaia 11. 1-10
JESOA KRISTY NO SOLOFON’I JESE
Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin’ny fakany; 2 Ary ny fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah; 3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny; 4 Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. 5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony 6 Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; Ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy. 7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; 8 Ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin’ny lavaky ny menarana. 9 Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina. 10 Ary amin’izany andro izany ny solofon’i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
William MacDonald, izay mpanazava Soratra Masina dia nanambara fa ny Isaia 11 no iray amin’ny hafatra lehibe indrindra ho amin’izao taonarivo fahatelo izao. Hoy izy : « Esaïe 11 est l’un des passages les plus importants sur le millenium, de l’AT comme du NT ». Nahoana tokoa moa ? Ny bokin’i Isaia dia ambaran’ny mpandinika fa Filazantsaran’ny Testamenta Taloha, noho izy manambara miharihary sy mivantambantana momba ny Mesia. Ary eto amin’ity Isaia 11 dia fanambarana sahady ao amin’ny tontolon’ny Testamenta Taloha ny amin’i Jesoa izay Mesia hitsimoka, na hivoaka avy amin’ny taranak’i Davida. Arak’izany, Jesoa no solofon’i Jese izay
1. Nitoeran’ny Fanahy Masina (and 2)
« Ary ny fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah »
2. Niasa tamin’ny fahamarinana (and 4,5)
« Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. 5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony »