Mofonaina 29 Desambra 2020 Ny teo aloha Mofonaina 30 Desambra 2020 Ny tao aoriana Mofonaina 28 Desambra 2020

Mofonaina 29 Desambra 2020

Romana 11. 7-15

PAOLY, APOSTOLIN’NY JENTILISA

Ahoana ary? Izay notadiavin’ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna kosa ny fon’ny sisa; 8 araka ny voasoratra hoe: “Andriamanitra efa nanome ny azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka andro-any” (Isa. 29. 10; Deo. 29. 3). 9 Ary hoy Davida: “Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy; 10 Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, ary aoka hamokoka mandrakariva izy” (Sal. 69. 22, 23). 11 Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ny jentilisa mba hampialona azy. 12 Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren’izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren’ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany. 13 Fa hianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin’ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako, 14 raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy. 15 Fa raha ny fanariana azy ny fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin’ny maty va ny fandraisana izany?

Anisan’ny zavatra voalohany nataon’i Paoly ny nitory filazantsara tamin’izay mifanapa-tsinay taminy. Tsy iza izany fa ny Jiosy toa azy. Tsy nandray ny filazantsara notoriany anefa ny Jiosy noho izy ireo tsy nanaiky ny maha-Mesia an’i Jesoa Kristy. Rehefa tsy noraisin’izy ireo ny filazantsara sy Jesoa amin’ny maha-Mesia Azy dia nitodika nitory ny filazantsara tamin’ny Jentilisa izy. Arak’izany, Paoly Apostolin’ny Jentilisa

1. Miezaka miala nenina mandrakariva (and 14)

« Mba hamonjeko ny sasany aminy »
Mialohan’ny nitodian’i Paoly tamin’ny Jentilisa dia niezaka ihany izy nitory ny filazantsara tamin’ireo Jiosy. Tsy te hanan-tsiny amin’ireo rahalahiny izy ka nanao izay ezaka rehetra ihany hitoriana ny filazantsara tamin’izy ireo. Niezaka nanala tsiny ny tenany teo anatrehan’Andriamanitra sy teo anatrehan’ireo rahalahiny izy. Toa izany nataon’i Paoly izany no tena fihetsiky ny mpitory filazantsara. Jesoa mantsy no efa nanao ny toa izany. Na dia tsy neken’ny Jiosy aza Jesoa dia niezaka nitory Filazantsara tamin’izy ireo ihany. Na hanaiky na tsia ny olona, adidy ny mitory filazantsara aminy, adidy ny mampahafantatra azy fa Jesoa no Mesia.

2. Mahafantatra tsara ny asa fanompoany (and 13)

« Fa hianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin’ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako »
Fantatr’i Paoly tsara ny asa fanompoana niantsoan’Andriamanitra azy. Fantany tsara ny olona nanirahana azy. Fantany tsara ny anjara fitoriana filazantsara tandrify azy. Ambarany mazava tsara fa mankalaza izy noho izany fanompoany izany. Fantany tsara ny antom-pisiany ao amin’ny fiangonan’ny Tompo Jesoa. Manampy be hahatanteraka ny asa fanompoana niantsoan’Andriamanitra mantsy ny fahafantarana tsara ny asa fanompoana niantsoan’Andriamanitra.
Azo atao tsara arak’izao ny mamantatra ny antom-pisiana ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra, azo atao tsara koa ny mangataka asa fanompoana manokana avy amin’Andriamanitra ho fankalazana an’Andriamanitra. Misy misionera, mpiara-miasa amiko eto Betroka, izy ireo dia tena manana asa fanompoana mifantoka amin’ny foko iray eto Madagasikara. Ireo mpiara-miasa amiko ohatra dia mifantoka tanteraka amin’ny foko Bara, aty amin’ny faritra Bara. Koa satria io no « mission »-ny hitory filazantsara amin’io foko io. Ny ezaka rehetra nataony tamin’ny fianarana dia nifantoka tanteraka tamin’io, tonga hainy ny fombany, ny teniny, ny fisainany, sns… soa fianatra ny toa izany, raha tiantsika, tahaka ny Apostoly Paoly ny hahatanteraka ny asa fanompoana an’Andriamanitra niantsoana antsika
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina