Mofon’aina 28 Janoary 2022 Ny teo aloha Mofon'aina 31 Janoary 2022 Ny tao aoriana Mofon'aina 27 Janoary 2022

Mofon’aina 28 Janoary 2022

Isaia 48. 12-16

ANDRIAMANITRA NO VOALOHANY SY FARANY

Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany. 13 Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin’ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa. 14 Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin’ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian’i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin’i Babylona ary ny sandriny ho amin’ny Kaldeana. 15 Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany. 16 Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
——————
Anisan’ny Mpaminany nanana ny naha-izy azy teo amin’ny tontolon’ny Testamenta Taloha raha i Isaia. Ho fampaherezana sy fampanantenana Mpamonjy no votoatin’ny hafany ho an’ireo Jiosy babo tany Babylona. Babo izay efa tena nihevitra fa resin’ny andriamanitry ny babylonianina Jehovah ka izany no maha-babo azy ireo. Eo anatrehan’ny tsy fisian’ny fanantenana intsony teo amin’ny babo anefa no amerenana indray fa Andriamanitra
1. Mpahary Izy (and 13)
« Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin’ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra »
Hoy isika tany aloha hoe rava sy potiky ny fahababoana ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy nahatsiaro intsony izy ireo ny fanatrehan’Andriamanitra, tsy afaka nanatona ny tempoly rahateo izy hivavaka sy hanao fanatitra. Teo anatrehan’ny fahaverezam-panantenana, teo anatrehan’ny famoizam-pon’ny Jiosy sasany no mampahatsiaro ny maha-Mpahary Azy Andriamanitra. Tena nanimba sy namotika ny fiainan’ny vahoakany tokoa ny fahababoana kanefa afa-mamerina izany amin’ny laoniny Andriamanitra, afaka mahary fiainam-baovao ho azy ireo Andriamanitra.
Miaina ao anaty faharavana samihafa koa isika ankehitriny, misy mihevitra koa ny sasany hoe mbola misy ve Andriamanitra, na hoe moa misy ve Andriamanitra ? Eo anatrehan’ny fahaverezam-panantenana misy ankehitriny koa no hampahatsiahivana fa Andriamanitra voalohany sy farany ny Tompo ka afaka mamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra, sy mahary antsika indray ao amin’i Jesoa Kristy noho ny asan’ny Fanahiny. Tamin’ny alalan’i Jesoa izay tonga nofo teto amin’izao tontolo izao (Epifania) no naharian’Andriamanitra fiainam-baovao ho antsika rehetra.
2. Mpamonjy Izy (and 14,15)
« Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany »
Notahian’Andriamanitra i Kyrosy araka izao teniny izao. Io fitahian’Andriamanitra an’i Kyrosy io dia mikendry ny fanafahana ny vahoakany amin’ny fahababoana izay teo ambany fifehezan’ny Babylonianina. Mba hahafahan’ny vahoakan’Andriamanitra misitraka indray ny fahariana vaovao izay nomanin’Andriamanitra ho azy dia nomaniny mihitsy ity mpanjaka Persa mba hanafaka ny vahoakany. Asehon’ny tantara fa misahirana mihitsy Andriamanitra mitady ny fomba rehetra hiverenan’ny fiainan’ny vahoakany amin’ny laoniny, hiverenan’ny vahoakany amin’ny fifandraisana Aminy. Tsy zakan’Andriamanitra rahateo ny mahita ny vahoakany mijaly sy ampahoriana, midina mandrakariva Izy mamonjy azy.
Amin’izay mampitaraina sy mampahory antsika vahoakan’Andriamanitra dia tsarovy fa midina mandrakariva Andriamanitra mamonjy antsika. Ny asan’Andriamanitra rehetra rahateo dia mikendry izay hisitrahan’ny olony famonjena. Tonga tamin’ny faratapon’ny famonjeny Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa, izay namonjy antsika teo amin’ny hazo fijaliana.