Mofon’aina 26 Mey 2021
Hagay 2. 1-9
MAMPAHERY NY VAHOAKANY ANDRIAMANITRA AMIN’NY FANATANTERAHANA NY ASANY
Tamin’ny andro fahiraika amby roa-polo tamin’ny volana fahafito no nahatongavan’ny tenin’i Jehovah nentin’i Hagay mpaminany nanao hoe: 2 Lazao amin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, governora any Joda, sy amin’ni Josoa, zanak’i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin’ny sisa amin’ny vahoaka hoe: 3 Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin’ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity? 4 Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak’i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza hianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, 5 araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta hianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra hianareo. 6 Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; 7 ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. 8 Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. 9 Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
Hagay dia mpaminany naminany teo amin’ny Jiosy taorian’ny fahababoana. Nampirisika sy nampahery ny Jiosy hamita ny tempolin’Andriamanitra izy. Samy variana nanarina ny fiainany manokana mantsy ny jiosy rehefa tafaverina tany Jerosalema izy ireo. Noho izany indrindra no tsy maintsy nitenenan’i Hagay azy ireo hahatsiaro ny asan’Andriamanitra. Ary raha ny marina dia nampahatsiaro ny Jiosy hanao ho laharam-pahamehana ny asan’Andriamanitra izy ireo. Izany fampaherezana izany dia toa izao manaraka izao :
1. Fampaherezana mifototra amin’ny fomban’Andriamanitra (and 4)
« Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak’i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza hianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro »
Nampaherezina avokoa ireo sokajin’olona tany Jerosalema tamin’izany : Mpitondra (Zerobabela), mpitondra fivavahana (Josoa), vahoakan’Andriamanitra. Izany fampaherezana izany aloha dia maneho fa asa iombonan’ny rehetra ny asan’Andriamanitra. Tsy misy olona natokana manokana ho amin’izany. Tena asa iombonana, na asa mampiombona ny asan’Andriamanitra. Asa nandraisan’ny sokajin’olona rehetra anjara. Somary sarotra ny niasa tamin’izany satria nisy Kristy ara-tsôsialy henjana koa tamin’izany, ireo manan-katao koa tonga tia tena. Teo anatrehan’ny havesatry ny asa sy ny fahosan’ny olona hiasa dia nampahery ny Tompo ka nilaza fa homba azy ireo hahefany hatramin’ny farany izany asa izany.
Ilaintsika mandrakariva ny fomban’Andriamanitra antsika rehefa miasa ho azy isika. Raha tsy Jehovah rahateo no manao ny trano dia miasa foana ny mpanao azy (Sal 127). Tsy misy na iza na iza afaka mihambo hahavita ny asan’Andriamanitra raha tsy Andriamanitra no momba azy.
2. Fampaherezana amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina (and 5)
« Ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra hianareo »
Tsy irery izy ireo raha hanao izany asan’Andriamanitra izany. Nomen’Andriamanitra hitoetra ao amin’izy ireo ny Fanahy Masina. Izany Fanahin’ny Tompo izany no tena hanolo-tsaina, hitarika amin’ny fanatanterahana ny asa, ary hanome hery ho enti-mahatontosa hatramin’ny farany ny asa. Izay itoeran’ny Fanahy Masina no hahazo hery ho enti-miasa ho an’Andriamanitra. Sady hahazo tolo-tsaina izy no hanam-pahendrena hiasa ho an’Andriamanitra.
3. Fampaherezana noho ny fanantenam-piadanana (and 9)
DIEM « eto amin’ity toerana ity hoy Aho no hanomezako ho anareo fiadanana »
Ny fahavitan’ny tempoly dia midika ho fahazoana fiadanana. Noho ny tranon’Andriamanitra vita, izay midika fitoeran’Andriamanitra ao no miantoka ny hisian’ny fiadanana. Amin’ny teorana misy an’Andriamanitra no misy fiadanana. Miadana sy sambatra ny tany izay manana an’i Jehovah eo aminy.
Rehefa teto amin’izao tontolo izao Jesoa dia nampanantena an’io fiadanana io koa. Ny fiadanany rahateo no natolony ny Tompo. Amin’ny toerana izay misy an’i Jesoa, izay amelana an’i Jesoa hitoetra ao dia hisy fiadanana mandrakariva. Ataovy ny asan’Andriamanitra arak’izany fa miantoka ny hisian’ny fiadanana izany.