Mofon’aina 25 Jona 2021
Matio 23. 1-12
JESOA KRISTY : MPITARIKA NY KRISTIANINA
Ary tamin’izany Jesoa dia niteny tamin’ny vahoaka sy tamin’ny mpianany ka nanao hoe: 2. Eo amin’ny fipetrahan’i Mosesy no ipetrahan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; 3. koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. 4. Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany anankiray asa. 5. Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny. 6. Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ny synagoga 7. sy ny hoharabain’ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ny olona hoe: Raby o! 8. Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby o; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. 9. Ary aza milaza olona ety an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. 10. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. 11. Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. 12. Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra
Hoy Jesoa eto amin’izao mofonaina izao : « fa iray ihany no mpitarika anareo, dia Kristy » and 10b. Avy amin’izany tenin’i Jesoa izany isika no mahafantatra fa Jesoa no Mpitarika antsika Kristianina, Mpitarika antsika Fiangonana Kristianina. Jesoa dia mitarika antsika amin’ny
1. Fanaovana ny Sitrapon’Andriamanitra (Jaona 4. 34)
« hoy Jesoa taminy : ny haniko dia NY MANAO NY SITRAPON’IZAY NANIRAKA AHY sy ny mahavita ny asany »
Nirahin’Andriamanitra hitarika antsika ho amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra Jesoa. Hanome modely amin’izany fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izany no nahatongavan’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao. Mendrika hitarika antsika Jesoa satria ny fitarihany dia mikendry mandrakariva ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Noho izany dia azo tanterahina tsara ny sitrapon’Andriamanitra noho ny amin’i Jesoa izay manome modely antsika amin’izany. Noho ny herin’ny Fanahy Masina sy noho ny modely tsara omen’i Jesoa dia tonga mahay manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra isika, na dia sarotra aza izany.
2. Fanompoana an’Andriamanitra (Jaona 4. 34)
« hoy Jesoa taminy : ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy NY MAHAVITA NY ASANY »
Sahirana tamin’ny fomba fanompoana an’Andriamanitra ny Jiosy. Tsy dia mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra intsony ny fanompoan’ny Jiosy an’Andriamanitra. Nirahina Jesoa hanome modely azy ireo amin’izany fanompoana an’Andriamanitra izany. Ary ny mahafaly amin’ny modely omen’i Jesoa eto amin’izao fanompoana an’Andriamanitra izao dia ny mahita fa Jesoa rehefa manompo dia mahefa hatramin’ny farany ny fanompoana an’Andriamanitra. Mahatanteraka hatramin’ny farany izany fanompoana an’Andriamanitra izany. Izay manaiky tarihin’i Jesoa, ka manana ny herin’ny Fanahy Masina dia mahefa hatramin’ny farany ny fanompoany an’Andriamanitra tokoa.
3. Fizorana any amin’ny fiainana mandrakizay
Ny fitarihan’i Jesoa antsika dia misy tanjona mazava : ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy hitan’ny olona, na tsy hain’ny olona intsony mantsy ny mizotra mankany amin’izany fiainana mandrakizay izany noho ny herin’ny fahotana izay mahazo azy. Arak’izany dia nirahin’Andriamanitra Jesoa hitarika ny olona rehetra ho any amin’izany fiainana mandrakizay izany. Jesoa no harahina arak’izany dia ho tsotra sy ho mora amintsika ny ho tonga any amin’ny fiainana mandrakizay.