Mofonaina 23 Novambra 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 24 Novambra 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 22 Novambra 2021

Mofonaina 23 Novambra 2021

Lioka 21. 20-28

NY FIAVIAN’I JESOA KRISTY INDRAY

Ary raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. 21 Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. 22 Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. 23 Fa lozan’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! Satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ny tany ary fahatezerana amin’ity firenena ity. 24 Dia ho ringana amin’ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa. 25 Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany 26 ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina. 27 Ary amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. 28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany, dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
——————
Jesoa irery no lasa any an-koatra ka nampanantena mbola hiverina indray. Izy irery ihany koa no afaka manao izany. Io fampanantenana fiverenana indray io moa dia tena ho enti-maneho ny maha-Andriamanitra Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Azy. Miandry izany fiverenan’i Jesoa izany isika, ary mino fa handray antsika ho any Aminy Izy. Ny fiavian’i Jesoa indray dia
1. Hisy famantarana hanambara izany (and 25)
« Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany »
Ny zava-boahary dia hampiasain’Andriamanitra any am-parany hanambara ny fiavian’i Jesoa indray. Eo ambany fahefan’Andriamanitra ny zava-boahary rehetra ka ampiasainy haneho ny maha-Andriamanitra Tompo an’i Jesoa Zanany : Mpitsara izao tontolo izao. Ho tonga amin’ny fotoana ny zavatra rehetra. Mila maharitra miandry izany fotoan’ny Tompo izany isika.
2. Amin’ny hery sy voninahitra (and 27)
« Ary amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy »
Tsara ny mampahatsiaro fa in-droa ny fiavian’i Jesoa eto an-tany :
a- Fiaviana voalohany : amin’ny fanetre tena mba hamonjena izao tontolo izao
b- Fiaviana faharoa : amin’ny hery sy vonihatra mba hitsara izao tontolo izao
Tsy misy resaka famonjena intsony arak’izany raha ho avy Jesoa. Izay nandray ny famonjena nomeny fony Izy teto amin’izao tontolo izao dia hisitraka fiainana mandrakizay, izay nandà sy tsy nandray ny famonjena kosa dia hatsipy any amin’ny afobe mandrakizay. Mbola fotoana mety handraisana ny famonjena anio mba hahatonga antsika ho isan’izay handova fiainana mandrakizay.
3. Ho hitan’ny rehetra
Fony tonga teto amin’izao tontolo izao Jesoa, noho ny fanetre tenany dia olom-bitsy no mba nahita izany fiaviany izany. Rahatrizay kosa ka hifarana izao tontolo izao dia ny olona rehetra no hahita ny fiaviany. Hotsofina rahateo ny Trompetra farany ka hahita an’i Jesoa amin’ny heriny sy ny voninahiny izao tontolo izao. Anisan’ny zavatra iray tena andrasana fatratra eto amin’izao tontolo izao ity fiaviana indray an’i Jesoa ity. Efa tena matim-paniriana tokoa ny saina hihaona amin’izay amin’i Jesoa Mpamonjy antsika.