Mofonaina 23 Desambra 2020
Efesiana 1. 1-6
IREO ANTONY ISAORANA AN’ANDRIAMANITRA
1 Paoly, Apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky ao amin’i Kristy Jesosy: 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, 4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika. 5 rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan-anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony, 6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izany nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala.
Rehefa dinihina ny asa soratr’i Paoly dia hita fa tia misaotra an’Andriamanitra izy. Eto amin’izao mofonaina izao dia antony efatra no tsy maintsy isaorana an’Andriamanitra araka ny fampianaran’i Paoly ny fiangonana tao Efesosy.
1. Antony 1 : Mitahy Andriamanitra (and 3)
« Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra »
Andriamanitry ny fitahiana ny Tompo, loharanom-pitahiana Izy. Koa na iza na iza mifandray sy mifanerasera Aminy dia misitraka ny fitahiany. Noho ny amin’i Jesoa Kristy Tompo, izay Mesia nanokatra ny lanitra dia tonga mandray fitahiana avy amin’Andriamanitra isika. Ambara mazava eto fa fitahiam-panahy rehetra any an-danitra izany. Ampy sy feno ny fitahiana omen’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Mahaiza mankasitraka sy misaotra an’Andriamanitra, noho ny amin’i Jesoa izay nanokatra ny lanitra hirotsahan’ny fitahiana rehetra avy amin’Andriamanitra. Noho ny fitahian’Andriamanitra mantsy no mbola maha-toa izao antsika, velon’aina sy tra-pamonjena.
2. Antony 2 : Mifidy Andriamanitra (and 4)
« Araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika »
Maro no olona eto amin’izao tontolo izao fa isika dia nofidian’Andriamanitra tao anatin’ny maro. Io fifidianan’Andriamanitra antsika io dia fifidianana ateraky ny fitiavany antsika, tsy miankina amintsika fa miankina amin’Izy Tompo izay mifidy antsika. Noho io fifidianana io dia manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra ny Tompo mba ho masina sady tsy manan-tsiny isika amin’ny fiavian’i Jesoa indray eto amin’izao tontolo izao. Fifidianana mikendry izay hahamasina antsika eo anatrehan’ny Tompo. Misaora an’Andriamanitra fa nifidy ahy sy ianao tamin’ny fitiavana Izy mba hanamasina ahy sy ianao.
3. Antony 3 : Manangana ho zanaka Andriamanitra (and 5)
« Rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan-anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony »
Jesoa Kristy irery no zanak’Andriamanitra naterany. Isika kosa araka ny fampianaram-pinoana Kristianina dia zanaka natsangan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa. Tsy nateraka isika fa afaka tonga zanak’Andriamanitra noho ny amin’i Jesoa. Ary araka ny fampianaran’i Paoly dia tombony ho antsika ny maha-zanak’Andriamanitra antsika. Tonga mpiray lova amin’i Kristy isika, tonga ankasitrahan’Andriamanitra koa. Misaora an’Andriamanitra fa zanaky ny Tompon’ny Tompo sy Mpanjakan’ny Mpanjaka isika. Zanaky ny Tompon’izao rehetra izao. Izany no tena vaovao mahafaly amin’ny fotoana ankehitriny. Tsy kamboty isika, fa manana an’Andriamanitra Raintsika noho ny amin’i Jesoa.
4. Antony 4 : Manasoa Andriamanitra (and 6)
« Ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izany nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala »
Ambara mazava tsara eto fa manasoa antsika maimaimpoana Andriamanitra. Tsy mitaky na inona na inona amintsika Izy raha manasoa antsika. Ataon’Andriamanitra maimaimpoana ary amin’ny fitiavana izany. Tombontsoa lehibe ho antsika arak’izany ny fifidianana antsika, izay nahatonga fananganana ho zanaka ary satria zanaka dia hasoavin-dRay isika. Misitraka ireo fahasoavan-dehibe rehetra avy amin’ny Tompo isika amin’ny maha-zanany antsika. Ampy ho antsika rahateo ny fahasoavany.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina