Mofon’aina 22 Jona 2021
Jaona 14. 5-11
NY MAHA-IZY AZY AN’I JESOA
Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? 6. Hoy Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. 7. Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy. 8. Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. 9. Hoy Jesoa taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? 10. Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11. Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
Fampanantenana nataon’i Jesoa tamin’ny mpianany no hitantsika eto. Izany fampanantenana izany no hampitony ny alahelon’ny mpianatra raha handeha Jesoa.
Handeha hiakatra ho any an-danitra Jesoa hamboatra fitoerana ho an’ny mpianany. Avy amin’izao mofonaina izao no ahafantarana koa ny maha-izy azy an’i Jesoa. Jesoa dia
1. Mampifandray amin’Andriamanitra (and5,6)
«Hoy Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana»
Amin’ny alalan’i Jesoa no ahafahan’ny olona rehetra mifandray amin’Andriamanitra. Jesoa Kristy no lala-tokana hidirana any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha tsy eo Jesoa dia sarotra izany. Soa Jesoa fa efa nanaiky nidina teto amin’izao tontolo. Manamora ny fanatonana Azy izany.
Raha te hifandray amin’Andriamanitra isika dia aoka hanaiky hampihaonin’i Jesoa ao Aminy amin’Andriamanitra.
2. Maneho an’Andriamanitra (and 7-11)
«Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray»
Jesoa no maneho an’Andriamanitra izay tsy hita maso ho tonga hita maso. Izay te ahita an’Andriamanitra dia mila mijery an’i Jesoa. Hita ao amin’i Jesoa mantsy ny fahafenoan’Andriamanitra. Tsy misy zavatra ho fantantsika raha ivelan’i Jesoa.
Meteza ho ao amin’i Jesoa dia ho hitantsika sy hotsapan-tsika ny maha-izy azy an’Andriamanitra.