Mofon’aina 21 Jona 2021
Jeremia 13. 15-17
HENOY ANDRIAMANITRA FA AZA MIAVONAVONA
15 Mihainao ka mandrenesa tsara ; aza miavonavona satria ny Tompo no miteny. 16 Omeo voninahitra ny Tompo Andriamanitrareo, dieny tsy mbola nahatonga haizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina ny tongotrareo eny an-tendrombohitra rakotra alina eny. Miandry ny mazava hianareo, kanjo hovany ho alo-pahafatesana izany sy hataony toy ny rahona mainty. 17 Raha tsy mihaino izany hafatra izany hianareo, dia hitomany ao amin’ny toera-mangina aho noho ny avonavonareo mihoa-pampana ; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso, hamarin-dranomaso hijononoka be, satria lasan-ko babo ny andianondrin’ny Tompo.
Jeremia dia anisan’ny mpaminany niasa tamin’ny tebiteby sy ahiahy noho izay tanora dia efa naminany. Nilaza hafatra milaza loza izy noho ny fahitany ny fahababoana ahazo ny vahoakan’Andriamanitra. Nitondra hafatra ho fampaherezana koa anefa izy. Noho ny hafatra izay noentiny dia tonga be fahavalo izy. Araka izao mofonaina izao, ny fahaiza-mihaino an’Andriamanitra dia fiarovan-tena amin’ny loza ho avy. Rehefa mihaino an’Andriamanitra mantsy dia
1. Mandray ny fitiavan’Andriamanitra (and 15)
DIEM « Mihainao ka mandrenesa tsara ; aza miavonavona satria ny Tompo no miteny »
Tian’Andriamanitra ny vahoakany. Noho izany fitiavan’Andriamanitra izany dia mbola miala nenina aminy Andriamanitra ka maniraka Mpaminany hiteny aminy. Izany hafatry ny tenin’Andriamanitra hoentin’ny mpaminany izany dia mifototra indrindra amin’ny fampitandremana sy fananarana. Fampitandremana sy fananarana izay mampirisika azy ireo hiala amin’ny ratsy. Tsy tian’Andriamanitra ny faharatsiana, tsy tiany ny vahoakany hiaina ao anatin’izany dia maniraka olona Izy hanala ny vahoakany amin’izany.
Tena fitiavana no mahatonga an’Andriamanitra mbola miteny. Tena fitiavana no mahatonga an’Andriamanitra misahirana mihitsy maniraka olona samihafa. Ary raha ny marina noho ny fitiavana dia Andriamanitra tenany mihitsy no nanira-tena tamin’ny alalan’i Jesoa ho tonga teto amin’izao tontolo izao hiteny sy hananatra mivantana. Ny fahaiza-mandray ny iraky ny Tompo sy ny hafatra hoentiny dia mariky ny fahaiza-mandray ny fitiavan’Andriamanitra.
2. Miaro tena amin’ny loza ho avy (and 17)
DIEM « Raha tsy mihaino izany hafatra izany hianareo, dia hitomany ao amin’ny toera-mangina aho noho ny avonavonareo mihoa-pampana ; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso, hamarin-dranomaso hijononoka be, satria lasan-ko babo ny andianondrin’ny Tompo »
Rehefa miala amin’ny ratsy mantsy ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy ho tratry ny loza izy ireo. Ny loza tiana ambara eto dia ny fahababoana izay efa manatona ny firenen’izy ireo. Fahababoana izay azo atao tsara ny tsy hahatongavany eo amin’ny firenena. Efa omen’Andriamanitra eto, amin’ny hafatry ny mpaminany ny fisoroana ny loza hahazo.
Raha mbola maniraka ny fiangonana hiteny Andriamanitra, raha mbola maniraka olona hiteny ao amin’ny fiangonana Andriamanitra, mazotoa mihaino izay lazainy. Fa tena fiarovan-tena amin’ny loza mety hahazo noho ny ratsy izany. Ny manahirana mantsy ankehitriny dia ny mahita fa efa malaina mihaino an’Andriamanitra ny olona. Mifikitra amin’ny ratsy izy sady maka mamy izany, ka tsy te hihaino an’Andriamanitra. Loza anefa no aterak’izany. Tian’Andriamanitra izao tontolo izao ka tsy mpaminany ihany no nirahiny niteny fa ny Zanany mihitsy. Ny teny sy fampianaran’i Jesoa rehefa tena henoina no maharo antsika amin’ny loza rehetra. Ny fandraisana an’i Jesoa mihitsy aza, ilay teny tonga nofo no fiarovana tsara indrindra amin’izao loza mety ho avy.