Mofon’aina 20 Novambra 2021
Jeremia 17. 5-8
TSARA NY MATOKY AN’ANDRIAMANITRA
Izao no lazain’i Jehovah: Ho voaozona izay olona matoky olona Sy manao ny nofo ho sandriny, Ka miala amin’i Jehovah ny fony. 6 Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy Ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin’ny tany karankaina any an-efitra, Dia any amin’ny tany sira izay tsy onenana. 7 Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, Dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny. 8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, Izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; Ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, Sady ho maitso ny raviny, Ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, Fa tsy hitsahatra ny famoany.
——————
Misy hery samihafa eto amin’izao tontolo izao. Amin’ny maha-olombelona antsika dia mila hery iankinana sy ianteherana isika. Hazo boboka avokoa ny hery rehetra eto amin’izao tontolo izao. Ny herin’Andriamanitra ihany no azo antoka. Tsara hoy ny Soratra Masina ny matoky na miankina amin’Andriamanitra. Ireto no tsarovy
1. Voaozona izay matoky olona (and 5,6)
« Ho voaozona izay olona matoky olona Sy manao ny nofo ho sandriny, Ka miala amin’i Jehovah ny fony »
Voaozona izay mitoky aman’olona. Ny olona mantsy dia tsy mba afaka hamonjy akory na hanafaka amin’izay mangeja. Voafetra ihany ny heriny, voafetra ihany koa ny fahaiza-manaony, voafetra ny fahefany. Malemy toa antsika rehetra ihany ny olona ka tsy azo itokiana sy ianteherana. Maro no efa diso fanantenana noho ny fiankinana taman’olona sy izay mety ho hery teto amin’izao tontolo izao. Ny antony maha-voaozona izay matoky olona dia noho izy tapaka fifandraisana amin’Andriamanitra. Ambaran’i Jeremia eto fa miala amin’Andriamanitra ny fony. Fahatapaham-pifandraisana amin’Andriamanitra no tena tiana holazaina amin’izany. Lojika raha iharan’ny ozona izy, noho izy tapaka fifandraisana amin’Andriamanitra. Hitombo fahasahiranana izay manankina ny fiainana amin’ny hery eto amin’izao tontolo izao.
2. Voatahy izay matoky an’Andriamanitra (and 7,8)
« Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, Dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny »
Izay miantehitra amin’Andriamanitra ka manankina ny fiainany amin’Andriamanitra dia hahazo fitahiana amin’Andriamanitra. Andriamanitra tokoa mantsy no mahita izay mahazo ny olony ary afaka mamonjy azy noho ny Tompo manana hery sy fahefana tsy voafetra hamonjy. Tsy mbola nisy re teo amin’ny tantaram-pamonjena, na teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao hoe niankina tamin’Andriamanitra ka menatra sy afa-baraka.
Azo antoka ny Tompo, koa raha iankina sy iantehitra ary anankina ny fiainana ihany, aleo mametraka izany amin’Andriamanitra. Tsy ho menatra marina tokoa izay matoky an’Andriamanitra. Fiainana feno fitahiana no omen’Andriamanitra antsika, isika izay matoky Azy ka miandry Azy.