Mofon’aina 19 Jona 2021
Mpitsara 11. 30-40
MIVOADY SY MANATANTERAKA
Ary Jefta nivoady tamin’i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tànako tokoa ny taranak’i Amona, 31 dia ho an’i Jehovah izay mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany. 32 Dia nandeha Jefta nankany amin’ny taranak’i Amona hiady aminy: ary natolotr’i Jehovah teo an-tànany ireo. 33 Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin’i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan’ny Zanak’Isiraely ny taranak’i Amona. 34 Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zanani-vavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakakahy na zanaka-vavy afa-tsy io izy. 35 Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra hianao, ary hianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin’i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony. 36 Fa hoy ny zanani-vavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’i Jehovah ary hianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak’i Amona fahavalonao ho anao. 37 Dia hoy koa izy tamin’ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin’ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin’ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanam-bady akory. 38 Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin’ny havoana noho izy mbola tsy manam-bady akory. 39 Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin’ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voady izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin’ny Isiraely 40 ny fandehanan’ny zazavavin’ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’i Jefta Gileadita isan-taona.
Vanimpotoana tetezamita ny vanimpotoan’ny Mpitsara teo amin’ny Zanak’Isiraely. Vanimpotoana nanelanelana ny faha-vahoaka mpifindra monina sy ny faha-mpanjaka. Vanimpotoana sarotra satria fotoana tena nanaovana ezaka lehibe ho fampiraisana ny Vahoakan’Andriamanitra izay samy mbola variana naka ho azy rehefa tonga tao amin’ny tany Kanana. Vanimpotoana ihany koa nahasarotra ny fiainana tao Kanana noho ny asam-pahavalo izay tena niezaka tamin’ny heriny rehetra haka ny tany Kanana. Jefta dia iray tamin’ireo olona nahazo fanomezam-pahasoavana manokana tamin’ny Fanahin’Andriamanitra ka tonga Mpitsara teo amin’ny Zanak’Isiraely. Olona voatsindrin’ny Fanahin’i Jehovah matetika ny Mpitsara, hitarika ny Zanak’Isiraely amin’ny ady amin’ny fahavalo. Rehefa resy ilay fahavalo dia mitsahatra eo koa ny asan’ny Mpitsara. Tsy ny Zanak’Isiraely rehetra koa anefa no notarihin’ny Mpitsara fa mety ho foko roa na telo ihany. Mbola tsy niray hina sy nitambatra ohatra ny amin’ny andron’i Davida mantsy ny foko tamin’ny vanimpotoan’ny Mpitsara.
Eto amin’izao mofonaina izao dia mafy ny ady nifanandrinan’i Jefta tamin’ny Amonita. Tonga tamin’ny fanaovana voady mihitsy izy fa raha mandresy amin’ny ady dia izay olona voalohany mivoaka mitsena azy dia hateriny ho fanatitra ho an’Andriamanitra. Nandresy ny Amonita tokoa ary Jefta, ary rehefa nody izy dia ny zanany vavy tokana no nivoaka nitsena azy. Sarotra taminy ny nanatanteraka izay nivoadiany, kanefa tsy maintsy notanterahiny izany.
1. Mivoady (and 30,31)
« Ary Jefta nivoady tamin’i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tànako tokoa ny taranak’i Amona, 31 dia ho an’i Jehovah izay mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany »
Ny hoe mivoady dia teny fanomezan-toky hanatanteraka zavatra iray raha tahiny ka tanteraka izay hangatahina. Ny fanaovan’i Jefta voady dia fanehoana ny fitiavany ny tanindrazany, fitiavany ny mpiray tanindrazana taminy tsy ho resim-pahavalo. Fampidirana an-tsehatra an’Andriamanitra ihany koa tamin’ny adin’ny fireneny. Andriamanitra izay afaka mandresy ny fahavalony. Mazava rahateo no teny nampiasain’i Jefta : « raha atolotrao eo an-tànako tokoa ». Nohenoin’Andriamanitra ny fangatahan’i Jefta, natolony teo an-tànany ny fahavalony. Tanteraka izay nivoadiany. Matetika rehefa manome toky an’Andriamanitra isika, amin’ny voady izay tononintsika dia tanterahin’Andriamanitra mandrakariva izany. Indrindra moa raha voady mikendry izay hahasoa ny hafa.
2. Manatanteraka (and 39)
« Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin’ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voady izay nataony »
Ny fanatanterahana ny voady teo anatrehan’Andriamanitra dia mariky ny maha-olo-marina, mitana ny teny nomena. Na dia mafy tamin’i Jefta aza ny nanao fanatitra ny zanany tokana, dia nataony izany satria voadiny teo anatrehan’Andriamanitra ho valin’ny nandresena ny Amonita. Hita ihany teo amin’ny teny nataony fa tena mafy sy sarotra taminy ny nanatanteraka ny voadiny. Kanefa nefainy izany ho fankasitrahana an’Andriamanitra izay namaly ny fangatahany. Matetika hoy ny mpandinika mora ny mivoady, fa henjana mandrakariva ny manatanteraka. Eo amin’ny fanatanterahana ny voady no matetika raraka ny olona. Ny olon’ny finoana, ny olon’Andriamanitra, rehefa miteny dia manatanteraka izay nolazainy, indrindra moa fa izay nivoadiana tamin’Andriamanitra.